Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy." Dia hoy izy hoe: "Didy inona avy?" Dia hoy i Jesoa: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Dia hoy ilay tovolahy taminy: "Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy." Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.
♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...
♦ Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra, hoy i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara, tamin'ny fandraisana ny voady farany nataon'ireo Masera Filles de Marie Auxiliatrice, ny alakamisy 5 aogositra 2021 tao amin'ny EKAR Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely Ivato... ♦ Fahasoavana lehibe no noraisaina tamin'ny Masera Saint Paul de Chartres, hoy i Mgr Alfredo de Nobrega, evekan'i Mananjary, tamin'ny fankalazana ny faha-325 taona niorenan'ny fikambanana, ny 1 aogositra 2021 teo...
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco