♦ Mety  hivoaka anio ny anaran'ireo ministra mpikamban'ny Governemanta hotarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Anio amin'ny 11 ora no hampahafantarina izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Ankizivavy 13 taona no namoy ny ainy, noho ny firehetana trano tetsy amin'ny foibe Loterana Ambohibao omaly. Adim-pamantaran'ora telo vao voafehy ny afo, hoy ny fitantaran'ireo nanatri-maso... ♦ Manomboka ny fanadiovana ny Anjerimanontolo. Hesorina nanomboka omaly ireny voamarina fa tsy mpianatra nefa mipetraka ny mibodo ny trano natokana ho azy ireo eny amin'ny Cité Ankatso... 

Ireto vokatry ny "Sacrosanctum Concilium : Fanavaozana lalina ny Lamesa, nampidirana ny fiteny teratany amin'ny litorjia ; Fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, amin'ny hira, famaliana, famakiana Tenin'Andriamanitra ; Fiverenan'ny Lanjan'ny Soratra Masina ; Fanavaozana ny tetiandro litorjika ; Fiombonana amin'ny kolontsaina sy fiteny manerana ny tany...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

♦ Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Eveka mpandimby toerana (Evêque coadjuteur) ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa ny sabotsy teo i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Ny 80% amin'ny solombavambahoaka lany tamin'ny alalan'ny IRMAR no efa nametra-pialana tao amin'ny vondrona parlemantera misy azy ary manohana ny asa fampandrosoana ataon'ny mpitondra ankehitriny... ♦ Nanandratra avo ny fanatanjahantena indray ny tsipy kanety be. Norombahan'i Madagasikara ny tompon-daka eran-tany ho an'ny olon-droa lahy sy vavy miaraka nandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny tsipy kanetibe ho an'ny tanora taona 2025 natao tany Espagne...

Ireto ny fizaràna sy toko 4 amin'ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium, ao anatin'ireo fizaràna 7 lehibe : Ny Breviera izay vavaky ny Eglizy, fanamasinana ny andro ; Ny Tetiandro litorjika, fankalazana an'i Kristy amin'ny misterin'ny Taona Litorjika manontolo ; Ny Mozika sy ny Hira Masina ; Ny zavakanto sy ny fitaovana litorjika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...