♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, fahatapahana maharitra ora roa eo hoy ny JIRAMA. An-tapitrisany maro anefa ny faty antoka hateraky ny tsy fisian'ny herinaratra ora vitsy fotsiny hoy ny antoko MAEVA... ♦ Fako plastika milanja 19 taonina isa-minitra no misy manary any an-dranomsina, hihatsona ao Toamasina mandritra ny tapa-bolana hanomboka anio 30 avrily ny sambo masoivohan'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny fako plastika any an-dranomasina... ♦ Niampy iray ny haren-tsaina momba ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny famoahan'Andriamatoa Imbiky Anaclet ny boky "histoire de l'île sainte Marie..."...
Ny fanabeazna ara-pananahana dia tsapa fa sokajian'ny olona ho resaka "fady", anefa io fomba fampitana sadasada io no isan'ny mahatonga ny fanolanana etsy sy ero. Ny firaisana ara-nofo dia hifanaovan'ny lehilahy sy vehivavy, natao mba hanohizana ny fahariana aina. Ny firaisana ara-nofo dia tokony ny mpivady ihany no manatanteraka azy. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana sy tsy an-tery... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Manentana ny rehetra, hivavaka ho amin'ny fahatanterahan'ny "conclave", hahazoana Papa vaovao ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Vokatry ny fandovana avokoa ny 70% amin'ny fananan'ny Malagasy tany, tokony hamoraina ny fomba ahafahan'ny tantsaha misitraka tany na mahazo tany ahafahany mampiasa tany ary manana izany hoy ny sehatra iombonan'ny fananan-tany... ♦ Hamporisihina handray andraikitra ara-politika sy ny fanamafisana fandriam-pahalemana ny tanora sy ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'Asa...
30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco