• Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany, tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny Filoham-piangonana efatra ao amin'ny FFKM, ny Fikaonan-doham-pirenena, dinika ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara... • Isan'ny nahazo fanasana tamin'ity fanokafana ny fikaonan-doha ity, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, saingy tsy tonga niatrika izany izy. Nilaza ny mpanohitra fa tsy voaasa izy ireo, tsy tokony hisy fanavahana sy fitanilana ny dinika tahaka izao... • Nomarihana androny 10 desambra, ny Andro maneran-tany fiarovana ny Zon'olombelona, ka isan'ireo fikambanana nanamarika izany ny ONG HARI. Nisafidy ny nanentana ireo mpianatra teny Mahamasina izy ireo...
♦ Niteraka fanehoan-kevitra maro samihafa ny vaovao fa nahazo fanasana hanatrika ny fanokafana ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenena ny filoha teo aloha Rajoelina Andry. Samy manana ny filazàny ny tompon'andraikitra. Misy ireo miteny fa marina ny vaovao, lainga kosa izany hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Tsy mitsipaka fa isan'ireo handray anjara amin'ilay dinika ho an'ny fikaonan-doham-pirenena tarihin'ny FFKM ny vovonana IRMAR miara-dia amin'ny filoha teo aloha... ♦ Tsy afa-beka amin'ny kolikoly ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra tanterahana eto Madagasikara hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara...
Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hosokafana anio maraina amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fikaonandoham-pirenena. Hitarika izany etsy amin'ny CCI Ivato ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)... ♦ Hentitra ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien fa tsy tokony hisy teritery ny fanaovana Vaksiny ny ankizy... ♦ Tsy filohan'ny CENI intsony Andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo. Mandray ny toerany omaly Andriamatoa Rakotonarivo Thierry... ♦ Miharatsy indray ny filaminana ao atsinanan'i RDC nanomboka omaly ; manohy ny fanafihany ao ny M23 tohanan'i Rwanda...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco