♦ Hotanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fankalazana ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Handray anjara amin'izany ny solotenan'ny vehivavy avy amin'ny Faritra 23... ♦ Fandalovan'ny rivo-doza Freddy tany amin'ny morontsiraka atsimo andrefana, miisa 08 ny olona maty araka ny tatitra vonjy maika navoakan'ny BNGRC. Olona iray no tsy hita popoka. Miisa 40.000 mahery no tra-boina... ♦ Hiara-hiasa hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ny ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo na ny ONN sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Manentana ny olona hampiasa ny sakafo ara-pahasalamana sy mitondra otri-kery samihafa ny ONN. Ny Ministera no miantoka ny masomboly tsara kalitao...
Raha amin'ny Eglizy dia ny finoana an'i Jesoa Kristy maty sy nitsanga-ko velona no fototry ny politika izany hoe tsy miala amin'ny fikatsahana ny soa iombonana : isan'ireny ny asa sôsialy toy ny fanabeazana, famolavolana ho olom-banona, miaro ny aina. Ny tokony hibaiko ny mpanao pôlitika dia ny fahefan'Andriamanitra izay mampiasa fahefana ara-drariny sy ny hitsiny, araka ny feon'ny fiheritreretana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 8 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)
♦ Manalavitra morontsiraka atsimo andrefana ilay rivodoza Freddy. Nitombo hery ka lasa "Cyclone tropicale" izy androany... ♦ Natomboka tamin'ny dia be niala teny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano, ny hetsika nataon'ireo vehivany an-jatony avy amin'ny Faritra 23 manerana ny nosy, vorilanona eto an-drenivohitra, hanamarika ny andron'ny 8 marsa rahampitso... ♦ Nanamfy ny fiaraha-miasa hanohanana ireo vondron'olona an'ny amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ho afaka hiatrika ny toe-java-misy any an-toerana, ny PAM sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco