Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Maty antoka hatrany amin'ny 20 miliara Ariary ny Orinasa JIRAMA mandritra ny hetsika sôsialy sy ny fanakatonana ankeriny ny masoivoho ataon'ny mpiasa hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tsy afa-miala amin'ireo mpamatsy vola mahazatra isika noho izy ireo mamatsy ny fandaharan'asa anatin'ny FEC sy ny FRD hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Nitombo ny herisetra sy ny fandrahonana amin'ny tompon-tany ara-dalàna ao amin'ny Distrikan'Ambatondrazaka nanomboka ny taona 2023, manjaka any an-toerana ny fibodoana tany ataonà andian'olona...

Tokony hohajaina sy hovelomina ny fombam-pivavahana lova-panahy (vavaka Rosaire, Lamesa, Hasivin'andro, fiatahana masina...), raha tsy manelingelina ny Litorjia. Ny Litorjia dia mitohy amin'ny asan'i Kristy, indrindra amin'ny Paka. Kristy dia miasa ao amin'ny Fiangonana ; ny Fiangonana no vatany, manohy ny asan'ny Famonjena... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Miandry ny valin'ny fitsirihana atao, ny mety hanesorana na tsia ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA, ary tsy maintsy hirosoana ny fanitsiana ny Satan'ny orinasa, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo androany, raha nihaino ny fangatahan'ireo mpiasan'ny JIRAMA izy... • Natsahatry ny Fitsarana ny fanjehana ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa. Tsy tonga nanatrika ny Fitsarana ny mpitory... • Mandry an-driranantsy efa ho taona maromaro izao, ireo tompon-tany ara-dalana mpamboly vary ao an-Tsihanaka, Distrikan'Ambatondrazaka. Manjaka ny fibodoan-tany ataon'ny andian'olona maromaro...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...