♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...
♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...
Ny LFI na teti-bola lasitra ho an'ny fampiasàna ny volam-panjakana mandritra ny taona. Havadika ho lalàna eny amin'ireo Antenimiera izy io, rehefa alalinina sy fakafakaina ary ankatoavinin’ireo solombavambahoaka sy Loholona ho lalàna, isaky ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra. Mandritra ny taona manaraka no ampiharana azy, mety hisy kosa fanitsiana mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka ny volana mey amin’ny taona diavina. Dia ireny efa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireny ny sasantsasany voaraikitra anatin’io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io ho an’ny taona 2026.
Mba hahafahana migoka ny fahasoavana amin'ny Litorjia dia ilaina ny fahavononana sy fo mahitsy ; izy mihitsy no lasa mizara fahasoavana. Ny Litorjia dia miteraka vokatra marina raha mandray anjara amim-pinoana sy amim-panahy ny mpandray anjara. Ny fahasoavana dia mitaky fanomanana (finoana, fitiavana, fibebahana)... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco