♦ Niverina teny anivon'ny hôpitaly indray fotoana fohy taorian'ny nampidirana azy am-ponja tao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Homena hipetrahan'ny mpianatry ny oniversite ireo Building mora etsy amin'ny Lac-Iarivo, mpianatra 700 any aho an'ny no honina amin'ireo foto-drafitr'asa ireo... ♦ Niroso tamin'ny fandatsahana orana artifisialy nanomboka omaly ary aharitra telo andro ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo hampiakarana ny tahan'ny haavon'ny rano ao Andekaleka... ♦ Miaina tsy fahatomombanana maro ireo toeram-pianarana any Haïti amini'izao fotoana izao...
Na zava-dehibe aza ny Litorjia dia tsy ampy raha tsy misy fitoriana sy fanabeazana finoana. Olona mino sy mibebaka no mankalaza ny Litorjia. Ny olona tsy mbola mino dia mila ampidirina amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fitoriana ny evanjely sy katesizy, ary izay vao afaka mandray anjara amin'ny Litorjia, izay vokatry ny finoana... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Nampidirina am-ponja atsy amin'ny nosy Maurice andraony maraina, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Voalaza fa nihetsika aretim-po tao anefa izy ny tolakandro teo, ka nahiditra hopitaly indray... • Nahazo vahana ireo mpanao politika, mahatsirao ho voahilika ny avy amin'ny Génération Z, hoy izy ireo androany. Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo tanora ireo, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena... • Homena hipetrahan'ny mpianatry ny Oniversite manomboka izao, ireo “Building Mora” etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Mpianatra miisa 700 any ho any no honina amin'ireo fotodrafitrasam-panjakana ireo...
• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora handray anjara amin'ny JMJ Mada andiany faha-11 hotanterahana any Toamasina amin'ny volana aogositra 2026... • Marolafy ireo lahadinika nandritra ny fivorian'ireo Filohan'ny Oniversitem-panjakana, izay notarihin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Profesora Ravonomanantsoa Ndaohialy... • Tsy mankasitraka ary mangataka ny hanafoanana ny “Madagascar Airlines”, ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco