♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...

Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana Loholona, izay tokony hatao amin'ity taona ity ny KMF CNOE... • Fahombiazana no amehezana ny fitaterana an-tariby, tao anatin'izay efatra andro nisokafany izay... • Mbola ambany ny tahan'ny fisoratan'ny mpianatra anarana any an-tsekoly, amin'izao folo andro mahery kely tsy hanombohan'ny taom-pianarana vaovao izao...

♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo faritra arovana miisa 52 ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ireo mpitantana faritra arovana... ♦ Miisa 1.213 zazavavy sy tovovavy no tonga niatrika ny lasy nasiônalin'ny fikambanan'ny Fanilon'i Madagasikara, nahatonga solontena tamin'izany ny Diôsezy 19 amin'ny 22 manerana ny nosy... ♦ Distrikan'i Ikongo tsy mbola tapitra ny ady amin'ny tazomoka, tsy mbola foana tanteraka izany ary mitohy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ataon'ny fitondram-panjakàna an'ireo marary eny anivon'ny tobi-pitsaboana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...