Manimba ny fahasalamana ary mety hafaty mihitsy ny fanaovana dokotera-tena. Ny tanjona dia ny fahasalaman'ny vatana sy ny fanahy. Ny fahalalana fototra dia singa hitazaina ny fahasalamana. Ny voa dia taova saropady ary tsy tokony hanaovana dokotera-tena, izay manadio ny ra. Mila misotro rano ara-pahasalamana isika mba hanampy ny voa amin'ny asany. Ny fanaovana dokotera-tena dia mety hiteraka tsy fahalavorariana ara-pahasalamana maro. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
♦ Niditra an-tanety ny rivodoza Emnati. Tany amin'ny distrikan'i Vondrozo no nisy ny ivony tamin'ny 6ora maraina teo... ♦ Manentana ny rehetra hiombom-po sy hiray saina, ny filoha lefitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fulgence Rabemahafaly mba tsy hisian'ny fanararaotana amin'izao rivodoza izao... ♦ Trano 97 no indray nodoran'ny dahalo tany amin'ny tanàna Mahasoa, kaominina Tsivory, Amboasary-atsimo, olona 350 no tsy manan-kialofana...
Nisafidy ny hahantra ny relijiozy, izay tsy midika hoe tsy manana na fadiranovana ny relijiozy. Miezaka ny hanana fahafahana anaty ny relijiozy manoloana ny haren'ny tany mba hanatanterahany ny hafatr'i Jesoa, izay voasoratra ao amin'i Mt 6, 25. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco