Mitaky fandaminana sy fifampifehezana tahaka ny amin'ny fiaraha-monina rehetra ny fiainan-drelijiozy, mila mpandrindra, mitaky fanekena. Ho an'ny relijiozy, ny fanekena dia sitrapon'Andriamanitra ; hoy i Md Paoly : " aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-panjakàna...". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Zoma 7 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16
♦ Nanokafana fanadihadiana manokana ilay firehetana nitranga tany amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Mampiahiahy ny zava-misy, ka olona efatra no efa nohenoina, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Nihaona tamin'ny Masoivoho frantsay eto amintsika androany ny Vondrona Panorama. Noresahana betsaka ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana... ♦ Nitarina amina faritra dimy hafa, ankoatra an'Analamanga, ny fihemoran'ny fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
♦ Nahemotra ho amin'ny 17 janoary ihany koa ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony, manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19... ♦ Hanao fanadihadiana momba ny firehetran'ny fitaovana tany Andekaleka, andro vitsy lasa izay ny fanjakana, ary toa izany ihany koa ny amin'ny fahatapahan'ny herinaratra tany Toliara ny faran'ny taona teo... ♦ Niantso ny mponina eny ambanin'Ampamarinana sy ny manodidina, hiala amin'izany toerana izany ny BNGRC...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco