♦ Azo lazaina ho marefo ny mpitondra, hoy ny antoko Otrikafo raha naneho hevitra momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy amin'ny nosy Comores, matoa mbola mitohy ny gaboraraka amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Nodimandry omaly teo amin'ny faha-95 taonany Rakotondranaivo André, mpampianatra, mpanoratra boky fampianarana ary poeta... ♦ Manana sehatr'asa hiarovana ny tontolo iainana ny Fanilon'i Madagasikara. Fandaharam-panabeazana tanterahan'izy ireo ny ady amin'ny plastika...

♦ Mihemotra ho amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na filazana manambana ho an'ny tondra-drano ireo Kaominina lalovan'ny reniranon'i Sisaony... ♦ Firarian'ny antoko RDS, tarihin'Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina, amin'izao taona vaovao izao ny hahatonga ny Malagasy tsirairay hisitraka ny zava-tsoan'ny firenena ara-drariny...

Tsy hoe ilaina fotsiny ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra fa adidintsika rehetra. Samy manana ny anjara tandrify azy avy, noho izany dia samia manatontosa ny andraikiny. Manao ny adidy ary mahatoky an'Andriamanitra isika mba ho masina sy ho maro ireo mamaly ny antso. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Alarobia 5 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...