Talata 23 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.

♦ Niampy iray indray ny marary tsy nahatohitra ny Coronavirus raha ny tatitry ny CCO androany... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tsy manao aron-tava ny mpitandro ny filaminana manomboka rahampitso... ♦ Ahemotra ho amin'ny alarobia ho avy izao indray ny fandinihan'ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020...

Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.

♦ Tsy maintsy omena vahana ao anatin'ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny momba ny sôsialim-bahoaka hoy ny depiote voafidy tany Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tsy misy kajikajy pôlitika, na fitadiavana seza, na resaka foko ny fizarana mitovy ireo distrika mandrafitra ny faritra Vatovavy Fitovinany... ♦ Miantso ny mpampiasa lalana ho mailo ny Polisim-pirenena...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...