♦ Mananika ny 1600 ny isan'ny olona efa nitondra sy mbola mitondra ny Coronavirus araka ny tarehimarika farany... ♦ Feno 185 taona omaly ny Baiboly Malagasy vita printy voalohany... ♦ Hodinihin'ny Solombavambahoaka amin'ny fivoriana itambaram-be anio ny volavolan-dalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020...
Alatsinainy 22 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.
Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.
Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco