Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.
Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
3 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco