Mandritra ny volana janoary dia betsaka ny korontana mety hiseho eo amin'ny fianakaviana, izay atao ihany koa hoe "volan-drimorimo", mila fitandremana ny zavatra hatao. Natao hifanohana sy hifampitaiza ny mpiara-belona. Rehefa anatin'ny fahatezerana dia aoka hofadiana ny teny ratsy sy ny ozona hatao amin'ireo manoloana. Ny saina sy ny toe-panahy no fototry ny fahantrana mahazo an'i Madagasikara... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.

Misy antso tokana fa lehibe ao amin'ny Evanjely dia ny fanarahana dia an'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny fitiavana. Io no ivon'ny antso rehetra ; amin'izay ny fitiava-namana sy ny fibanjinana dia mirazotra ary mifameno, manambara tanjona tokana. Ny asa vokary ny vavaka, asa am-pitiavana natao mangingina dia azo lazaina fa asa mahagaga azon'ny kristianina atao ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Alahady faha-2 mandavantaona — D : Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra ; Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Araka izay voalaza ao amin'i 1 Kôr. 12, 4-11 : [...] maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany ; [...] Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony. Sitrak'Andriamanitra ny hahasambatra antsika olony. Ny Evanjely araka ny voalaza ao amin'i Jo. 2, 1-12, mitantara ny fampakaram-bady tao Kanà any Galilea dia maneho ny finiavan'ny Tompo hampibaribary ny fitiavany antsika tsirairay avy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...