Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...
Ny vaksiny hisorohana ny kitrotro dia atsindrona eo amin'ny sandry. Ny fahavitan'ny vaksiny, izay tolotra omen'ny Ministeran'ny fahasalam-bahoaka dia afahana miaro sy misoroka aretina miis 12 eo. Ny tetiandro fanaovana vaksiny faobe amin'ity volana oktobra ity dia faha 15-16-17-18-19 ho avy izao : kitrotro sy ny lefakozatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hamatsy vola mitentina 220 tapitrisa dolara hanohanana ireo tetik'asa samihafa hamatsiana rano eto Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena... ♦ Hitambatra anaty vondrona iray ireo tanora Malagasy tia mikirakira ny resaka "Cyber criminalité" na ny eloka an'habaka mba iarovana ny osoka amin'ny fampiasana internet... ♦ Tetika politika hampandresena ny kandidà miara-dia amin'ny fitondrana ny fanokafana ny lisim-pifidianana amin'ny fahazoana ordonnance hoy ny VAMI... ♦ Manamafy ny fanoherana ny fifindra-monina mankany Etazonia ny kandidà Donald Trump... ♦ Nitohy androany ny fankalazana ny andro masina Yom Kippour any Israely, na dia mihamafy aza ny tsikera mahazo ity firenena ity ankehitriny...
♦ Tafapetraka eny amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena eny Ankorondrano ny Ivon-toerana natokana ho an'ny tanora. Nentina nanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy omaly ny fanokafana azy io... ♦ Tsy mametraka olana amin'ilay naoty navoakan'ny ministera izay mandrara ny mpitsara tsy handray olona manan-draharaha eny anivon'ny fitsarana ny SMM... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny Orange-Money sy ny ny Banky SG... ♦ Miaramila 2 teratany Srilankais avy amin'ny Funil, tafika misatro-mangan'ny firenena mikambana no naratra omaly, vokatry ny tifitra nataon'ny tafika Israeliana...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco