♦ Niara-dàlana tamin'ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean de Dieu Raolison, ho Arsevekan'Antananarivo, teny Somandrakizay, ny famaranana ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy Katôlika... ♦ Tsy fotoanan'ny fikotrehana fitondrana tetezamita instony izao, fa ny fifidianana no andrandrain'ny vahoaka Malagasy, hoy ny olom-boafidy miara-dia amin'ny fitondrana... ♦ Tsy marina ny vaovao naely tamin'ny tambazotra sôsialy fa mankasitraka ny hampakarana ny saran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Solombavam-bahoakan'ny Boriborintany fahenina, na dia avy amin'ny mpanohitra aza...

Ny asa ny vahoaka tany Ejipta dia asa tsy vokatry ny sitrapony : asa an-terivozona. Vokatry ny tahotra no nahatonga ny faraona hampanao asa an-terivozona ny vahoaka Israely. Nosakanana tsy hitombo ny vahoaka Israely. Asa an-terivozona no nampanaovina an'ny Mpanjaka. Ny asa atao andavanandro dia asa iaraha-misalahy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

31 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)

Asan'ny olona ny mikolo ny zava-boahary mba tsy hampiova ny endriky ny sahan'i Edena. Notsofin'Andriamanitra rano ny olombelona hampita ny ain'Andriamanitra. Ny olombelona tsy maintsy manompo zava-boahary : mamelona, mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Nisy talohan'ny fahotana ny asa, manaho ny fahalavorarian'Andriamanitra fitiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...