2 mey 2023 — Talata, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)
Tsy olona iray no mifanakalo hevitra fa misy roa na maromaro, noho izany dia hevitra voadiniky ny maro no hifanakalozana ary mitondra fiombonana izany. Rehefa ny fanapaha-kevitra iray no nandraisan'ny sokajin'olona samihafa anjara dia tonga amin'ny fankatoavana iraisana. Tombony azo raisina amin'izany ny fahavitrihan'ny rehetra hanatontosa ilay fanapahan-kevitra. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
1 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)
Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco