Tena ilaina hoy ny Papa ny fahaiza-miteny amin'ny fo, mba hikoloana sy hivoizana ny kolontsain'ny fihavanana, indrindra any amin'izay misy ady. Mila olona mahay miserasera vonona ho amin'ny fifanakalozan-kevitra isika, vonona hirotsaka amin'ny fandrisihana hanafoanana manontolo ny fitaovam-piadiana.  Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

13 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

♦ Neken'ny Papa François ny fametraham-pialan'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Notsipahan'ny HCC fanindroany indray, ilay tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny Oniveristem-panjakana sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Tsy maintsy hisy ny fihaonana arahana ady hevitra eo amin'ny Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany...

♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...