♦ Nigadona androany tany amin'ny Diôsezin'Ambanja, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay notendren'ny Papa François ho Eveka any amin'ity Diôsezy ity... ♦ Nanjavona teo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony valo gony, rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray, tao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro ho vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa, satria hiroso amin'ny fitokonana ireo mpitondra camion, raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao...
♦ Mety ho betsaka ny rotsak'orana aty afovoan-tany sy ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny telo andro, raha ny vinavinan'ny Météo. Misy ny filazàna fahamailoana amin'ny mety ho fiakaran'ny rano sy ny fihotsahan'ny tany, mety haterak'izany... ♦ Mila ho isan-kerinandro ny fiakaran'ny vidim-bary sy voamaina vokarina eto an-toerana eny an-tsena amin'izao. 200 Ariary isan-kilao ny fiakaran'ny vidim-bary, 100% aza ny fisondrotry ny vidin'ny katsaka ankehitriny... ♦ Nanao fanambaràna ireo Ben'ny Tanàna maro an'isa any Ambovombe-Androy, manoloana ny fanenjehina ny kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Nomelohin'izy ireo ny fanaratsiana ity solombavambahoakan'Ambovombe ity, izay ataonà olom-boafidy hafa...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 9, 2-3. 11-14
Ry kristianina havana,
nisy tranolay natao,
ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina,
dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana,
sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Ary ny efitra lamba faharoa kosa,
dia atao hoe fitoerana masina indrindra.
Fa i Kristy kosa,
nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra,
tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny
niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy,
ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy,
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy
izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny
tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana!
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!
Antsao Andriamanitra! antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra;
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena;
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 20-21
Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany
dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 8, 6-13
Ry kristianina havana,
ankehitriny dia voatendry
hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Eny tokoa,
satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany,
dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra
no miteny toy izao:
“Indro, hoy ny Tompo,
ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao
amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda;
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo,
tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy
nivoaka avy tany Ejipta,
izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”,
hoy ny Tompo;
“fa fanekena toy izao kosa no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany”,
hoy ny Tompo:
“Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko,
ary hosoratako ao am-pony;
ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo,
ary izy kosa ho vahoakako.
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy,
na hanao amin’ny rahalahiny hoe:
Mahalalà an’Andriamanitra.
Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Satria havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany.”
Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy,
amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao;
ary izay hoe tranainy sy efa antitra
dia efa madiva ho levona mihitsy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14
Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao!
Omeo anay ny famonjenao.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 13-19
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina
sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco