♦ Voafonja 266 no efa afaka nody tany amin'ny fianakaviany ho an'ny fonjan'Antinimora hatramin'ny omaly alahady. Efa nihatra nanomboka ny faran'ny heriandro teo ny didim-panjakàna mamamritra ilay fanalefahan-tsazy sy famelan-tsazy manontolo nomen'ny Filohan'ny Repoblika.... ♦ Herinandro faharoa ao anatin'ny volana janoary izay hanohizana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy eto Madagasikara ity heriandro ity. Malaina amin'ny fanohizana ny asa ny CLRE araka ny tatitra nataon'ny ONG Tolotsoa... ♦ Mihena ho 10 ireo tranga vaovao amin'ny Covid-19 nanomboka ny faran'ny taona hatramin'ny 6 janoary teo. Mbola misy 26 ireo olona tratry ny Covid-19 ary ny 4 no mbola tena manana olana lehibe eo amin'ny fahasalamana...
Misy ny fiovan'ny fifandraisana eo amin'ny olona vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia : miha akaiky ary toy ny miara-monina izao tontolo izao, ny ratsy kosa dia misy fotoana mampifanalavitra ireo mifanakaiky rehefa variana na mifantoka ao loatra. Ho ao an-tokantrano dia lasa miolonolona, tsy misy fifandraisana mivantana loatra fa samy variana amin'io telephone io. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Ny amin’ireo Konsily Ekomenika sy tena nanan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana. Taorian’ny Fihaonamben’ny Mpino Kristianina voalohany, niaraka tamin’ny Apostoly, izay natao tao Jerosalema ny taona 50 (na 49) izay notarihin’i Piera, dia miisa 21 ireo Konsily Ekomenika izay samy nanamafy ny finoan’ny Mpino araka ny fampianaran’ny Apostoly, niatrika ireo fanavaozana lehibe, teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana Katolika. Niaro ny zon’ny olona, nitandro ny fandriampahalemana. Ireto avy izany sy ny Papa nitarika azy: 1) Nicée I (325) Silvestra I. 2) Konstantinopla I (381) Damase. 3) Efezy (431) Célestin I. 4) Kalsedoanina (451) Léon le Grand. 5) Konstantinopla II (553) Vigile. 6) Konstantinopla III (680-681) Agatone. 7)
Ireo olana fototra manimba ao an-tokantrano vokatry ny fitaovam-pifandraisana sy ny teknôlojia avo lenta ankehitriny dia : faniriana te hanana fitaovana tsara hika farany, tsy fahaiza-mionona, fahasahiranan'ny ara-bola... Ny zavatra rehetra dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara avokoa ka raha tsy mifandanja ireo na tsy mahay mandanjalanja izay mampiasa azy dia lasa ny ratsy no manjaka. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco