Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
♦ Tsy misy hatahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy Filohan'ny CENI... ♦ Am-perinasa amin'ny maha Talen'ny Kabinetra Sivily eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika azy, Ramatoa Andrianarisoa Romy. Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo aminy sy Ramatoa Raharinina Baomiavotse... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray androany, tao amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Faly, any Ambanja, nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte, ny sabotsy alina lasa teo...
♦ Ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena izay hotarihin'ny FFKM no tokony hamaritra ny ho avy pôlitikan'i Madagasikara amin'ity taona ity, hoy ny vondrona pôlitika HIFFIM. Fifiadianana tsy mampiady no tokony hisy manaraka eo, hoy izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Ministra mpiahy ireo mpianatra mpitarika fikambanana eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Nanarina ireo mpianatra hitandro ny maha-izy azy, nanoloana ilay raharaha niafara tamin'ny fanakatonana ny toeram-pianarana farany teo... ♦ Vinavinaina hiverina an-dranomasina indray ny sisan-drahona miaraka amin'ilay rivo-doza Freddy. Arahi-maso ny fivoarany satria hanome vahana ny oram-baratra manerana ny nosy ny rivotra ho entin'ny Varatraza avy any avaratra...
Ny fanabeazana feno dia mahakasika ireto telo ireto : vatana, saina ary fanahy. Ireo voambolana telo ireo dia manan-danja amin'ny sehatry ny fanabeazana. Ny fanahy dia fototry ny filôzia malagasy. Ny fanahy ambara amin'izany dia : fototry ny fahafenoana, toetra, ilay tandindona miala sy misaraka amin'ny vatana aorian'ny fahafatesana, ilay fepetra sy sata maha-olona. Ny fanahy dia azo adika ho sary sy tohin'ny saina. Ny teny - fihavanana dia ilaina amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina mba ahafahana mandrindra fifandraisana dia eo ny teny verin-droa sy ny fampiasana tambin-teny... Ny hasina dia hery mahefa, mila hajaina, misy fady, fanomezam-boninahitra, hiorenan'ny maha-firenena toy ny teny...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco