Ny lahika dia Kristiana vita Batemy rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Manana ny fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Mila mahay miara-miasa amin'ny Mpitondra ny lahika ary manaiky sy manaja ny rafitra. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Alahady 1 janoary 2023 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21

Ny fanaovana fety voalanjalanja dia mitondra fahasalamana. Anatin'ny fety dia mahazo ny anjarany daholo ny vatana sy ny saina : hafaliana sy sakafo. Ny sakafo tokony hohanina amin'izao fety izao hisorohana ny aretina dia sakafo voalanjalanja, sakafo natoraly. Mila mitandrina  amin'ny sakafo hohanina ireo manana olana amin'ny : tosi-dra, diabetika, ireo manana olan'ny fo sy ny voa, ireo olona matavy loatra, ireo tsy mahazaka mihinana sakafo isan-karazany. Ezahana mba toerana madio sy mahazo rivotra tsara ny toerana hisakafoana. 

♦ Ho maina ny andro amin'ny ankapobeny manerana ny nosy hiatrehan'ny Malagasy ny fetin'ny faran'ny taona sy ny taom-baovao. Tsy ahiana ny hisian'ny toetr'andro mahery vaika, hoy ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Miandrandra ny hijeren'ny mpitondra akaiky kokoa ny sôsialin'ny mpiasa amin'ny 2023 ny sendikà FISEMARE amin'ny kabarin'ny Filoham-pirenena anio hariva. Tsy ny fisondrotan-karama ihany no andrandrain'izy ireo... ♦ Mandrisika antsika hikarakara sakafo ara-pahasalamana ny mpitsabo, na eo aza ny fiovàna amin'ny mahazatra amin'izao fety izao. Ireto toro-hevitra samihafa tsara ho fantatra avy amin'ny mpitsabo hiatrehana ny fety...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...