♦ Hanao kabary ho an'ny vahoaka malagasy anio hariva, faran'ny taona, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Lahateny heverina hitondràny ny vina ho an'ny taona 2023, faran'ny fe-potoam-pitondràny, ankoatra ny tomban'ny asa tamin'ity taona ity... ♦ Natao tany Fianarantsoa omaly ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Feno 7taona omaly ny nandrodànana ny foiben'ny sendikà FISEMARE eny Ankadifotsy. Mbola eny amin'ny Fitsaràna ny raharaha hatramin'izao. Manantena ny hivoahan'ny didim-pitsaràna amin'ny taona ho avy io izy ireo...

Arahabaina manokana ireo mitondra ny anarana hoe Sylvestre amin'ity faran'ny taona ity satria i Masindahy Sylvestre no tsaroana ny 31 desambra. Teraka tamin'ny taona 280 i Sylvestre. Mpisorona ny rainy, Rufinus no anarany, ary i Justa kosa no reniny. Romanina izy ireo. Ary nankinin'ny reniny tamin'ny mpisorona natao hoe Cyrinus ny fitaizana azy.

Lehibe tokoa ny anjara toeran'ny lahika ao amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Koa tsy maintsy mahay mifandray tsara amin'ny mpitondra izy ireo, indrindra eo amin'ny lafiny fiaraha-miasa. Asa vadidrano ny fanasoavana ny Eglizy ka tsy maintsy hifandrombonan'ny Mpitondra sy ny Kristiana izay entiny. Afaka manambara malalaka ny heviny ny lahika amin'ny fanatsarana ny Eglizy.  Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Sabotsy 31 desambra 2022 — Andro fahafito amin'ny Havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...