Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22
♦ Notanterahan'ny CENI androany, ny atrikasa tomban'ezaka anatin'ny antsasa-dalana amin'ny fanavoazana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly. Mbola vao ny 37%-n'ny tanjona napetraky ny CENI no tratra, roa volana aty aorian'ny nanombohan'ny asa... ♦ Mifanakalo hevitra sy mamantatra ny zava-misy mandrindra ny roa andro eny Alarobia, amin'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, mandritra ny dinika nasiônaly amin'ny fanamby amin'ny ZLECAF, ireo mpisehatra amin'izany...
♦ Namoahan'ny PAC, didy fampisamborana ny Tale Jeneralin'ny Jirama, sy tompon'andraikitra ambony roa hafa. Tale telo ihany koa no nampidirina vonjimaika eny Antanimora, tao aorian'ilay fanadihadiana olona 37, omaly... ♦ Misy hakan'ny Kaominina Antananarivo hetran-trano hatramin'ny 21 tapitrisa Ariary ireo sekoly tsy miankina amin'ny finoana ao an-drenivohitra. Manao antso avo amin'ny mpitantana sy ireo mpanolo-tsain'ny tanana izy ireo... ♦ Manomboka miparitaka eto amintsika indray ny aretina Covid-19. Olona iray no maty, 5 hafa anaty fahasarotana, ankoatra ireo tranga 194 hita tao anatin'ny herinandro...
Ho fantsarana ny tontolon'ny fanabeazana, ho fanarenana ny fomba fampiasàna ny teny malagasy dia manao ny ezaka rehetra ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy niaraka tamin'ireo mpiara-miasa namoaka boky " ahitsiho ny diso", hanoroana sy hitondrana fanazavana mikasika voambolana maro. Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria miorina amin'ny fitsipika iray. Zary sakana ny tsy fahazoana ny hevitry ny teny iray raha tsy mazava ny tontolon'ny fifandraisana. Amin'ny tontolon'ny fanabeazana dia ireto no lafi-kevitra hiorenana : Mpanabe, Beazina, Sekoly na ny fiaraha-monina ary ny lehibe indrina dia ny Soatoavina...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco