♦ Nanoratra tantara indray ny Barea ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra amin'ny dingan'ny ankatoky ny famaranana amin'ny CHAN 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy, hihaona amin'i Sénégal rahampitso... ♦ Mitaky ny handravàna ireo Antenimiera mpanao lalàna sy hanovàna ny Governemanta ny Vondrona Pôlitika hafa Mira na ny VPHM. Tsy atokisan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena intsony ireo andrim-panjakàna ireo, hoy izy ireo, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tafakatra 27 ireo namoy ny ainy, olona miisa 21 mbola tsy hita popoka manerana ny nosy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Cheneso. Olona maherin'ny 84.000 no tra-boina vokatr'izany, raha ny tatitra farany avy amin'ny BNGRC...
Ny fitoriana ny "Vaovao Mahafaly" na ny "Evanjely" amin'ny teny frantsay dia hoe "Evangélisation" filazana na fanambarana ny Evanjely amin'ny olona sy amin'ny voahary manontolo izany. Ny fampitana ny Vaovao Mahafaly amin'ny olona ataon'ny Eglizy dia miseho amin'ny fomba maro arakaraky ny toerana sy ny fomba amam-panaon'ny olona hitoriana. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
Alatsinainy 30 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco