Ny voka-tsoa miandry ny Kristiana amin'ny fanaovana adidy dia maro : mazava ho azy fa fitia izay valim-pitia, afaka miakna malalaka, mahatsiaro misy mpiahy sy mpiara-dia izany hoe tsy mahatsiaro ho irery, ary farany izay lehibe indrindra ary fototry ny fanantenana ihany koa dia ny fananana ny lanitra ho lova. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Sabotsy 28 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

♦ Sahirana amin'ny fanatanterahana ny asa, vokatry ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny olona, ny eo anivon'ny Fitsarana Fandravana... ♦ Mitsipaka tanteraka ny fametrahan'ny fitondram-panjakana ny "Droit de sortie", na ny haba manokana alaina amin'ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany, ny FOM, federasiôna ivondronan'ireo fikambanana misehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hiato mandritra ny telo andro, manomboka ny 3 febroary izao, ny tolotra hampiasana ny fitaovana nomerika eo anivon'ny Jirama...

♦ Notanterahana tamin'ny 7 janoary lasa teo ny fanamasinana diakra roa, sy fanamasinana pretra avy amin'ny Fikamabanan'ny Pretra Misiôneran'ny Fianakaviana Masina. Tao amin'ny Paroasy Ambalavao, any amin'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa no nanatanterahana izany... ♦ Nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Kôlejy Masina Misely Itaosy, izay tantanan'ireo pretra Karma, tamin'ny alatsinainy 23 janaoary 2023, tamin'ny alalan'ny Eokarisitia Masina notarihan'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...