♦ Tokony hametraka paik'ady ampitoviana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, sy tokony hampihena ny saran'ny fampiasana izany mba hahamora ny fisitrahana izany ny OIF, hoy ny Praiministra Malagasy... ♦ Nijanona tsy ho filoha nasiônalin'ny antoko AVI intsony, Andriamatoa Norbert Lala Ratsirahonana. Fiaraha-mitantana olona 3 aloha no napetrany... ♦ Apetraka eo antampon'ny Ihorombe ny antsoina hoe : "Zone d'Emergence Integré", Ivon-toeran'ny Fampandrosoana Ifotony izay hametrahana ny tanàna maitso... ♦ Sokajian'i Corée-Avaratra ho saribakolin'i Etazonia ny SG firenena Mikambana Antonio Guterres, raha nanameloka ilay tifitra "missile balistique" nataon'ny avy ao Pyongyang...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga i Mgr ZYGMUNT ROBASZKIEWICZ, pretran'ny Fikambanana Misionnaires de la Sainte Famille, Eveka nitantana ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Nahasarika mpandraharaha na ireo te ho mpandraharaha hatrany amin'ny 600 isa ilay " Forum national des entrepreneurs" andiany faha-4... ♦ Hitory ireo tambazotra mpandoro ala sy faritra arovana ary ireo mpandripaka ny harem-pirenena ny fikambanana Tato-Miavo miaraka amin'ireo fiaraha-monim-pirenena miaradia aminy... ♦ Fiadiana ny tompon-daka eran-tany, taranja baolina kitra : resin'i Equateur, omaly, i Quatar ekipa mpampiantrano, raha nisantatra ny lalao fifanitsanana isam-bondrona...
21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".
I Kristiy no nanorina ny Sakramentan'ny Batemy mba hahafahan'ny olombelona ho tonga zanak'Andriamanitra satria noho io Sakramenta io dia afaka amin'ny fahotana tamin'ny fototra isika sy nandova ara-dalàna ny tena endrik'Andriamanitra araka ny efa nahariana antsika. I Jesoa Kristy dia nanaiky atao Betemy tamin'ny alalan'i Joany Batista. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco