♦ Nankalaza ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra ny teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nankalazaina nandritra izany ny fetin'ny Fianakaviana Masina mpiaro ny Seminera Zandriny eny Ambohipo, amin'ny alalan'ny Sorona Masina no nanehoana izany... ♦ Takaitra navelan'ny rivo-doza nandalo teto amintsika, miisa 03 ny olona maty araka ny vokatra vonjy maika navaoakan'ny BNGRC omaly tamin'ny 8ora alina. Olona 06 tsy hita popoka. Mahatratra 13.180 isa ireo traboina avy amin'ny Faritra miisa 08... ♦ Miray hina mitaky ny hanokafana ny orinasa Base Toliara ny ankamaroan'ny olom-boafidy ao amin'ny Distrikan'i Toliara-II. Tohanan'ny Sefo Fokontany maherin'ny 70 isa sy ny lefiny avy amin'ny Kaominina miisa 04, ao amin'ny Distrika...
Maro tokoa ny mandeha mivavaka rehefa alahady, fa saingy mijanona ho "mpivavaka tsotra", izany hoe : mankany am-piangonana izy ireny mba hitalaho fanampiana fotsiny amin'Andriamanitra fa manadino ny fisian'ny adidy miandry azy ao mba hamelona sy hampandroso ny Eglizy. Maro ireo tsy mahazo ny dikan'ny atao hoe "adidy" tanterahana any am-piangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
Alatsinainy 23 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)
Ny Konsily tao Konstantinopla II (553) dia nanamafy ny fanamelohana ireo hevi-diso teo aloha (mikasika ny Trinité Masina, ny Kristolozia), sady nampahatsiahy ireo famaritana nataon’ny Konsily tany aloha. Nohelohina ireo hevi-diso avy amin’i Origène, miaraka amin’ireo hevitra telo izay fantatry ny Nestorianisma. Tsy tratra ny tena tanjona hampihavana ny samy Mpino Kristianina satria nisy ireo tsy fitovian-kevitra (Roma, Afrika, Antiokia). Nohelohina ireo eveka teolojianina telolahy miankina amin’ny sekolin’i Antiokia: Théodore de Mopsueste (†428), Théodoret de Cyr († vers 466) et Ibas d’Édesse († 457).
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco