♦ Mbola tsy levona ilay rivodoza Freddy. Tombanana hiverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika ny andian-drahona miaraka aminy, ka mety hitondra orana betsaka any amin'ny andrefana sy atsimo andrefan'ny nosy... ♦ Hitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra eto Madagasikara amin'ny taona 2028, amin'ny alalan'ny tetikasa PRIRTEM-2. Hahatratra 70% ny taham-pahazoan'ny Malagasy herinaratra, vokatr'izany... ♦ Mpiasan'ny fahasalamana an-jatony no hiasa sy hanome tolotra ara-pahasalamana eto Antananarivo, ao anatin'ilay tetikasa "Caravane médicale"...

Tena ilaina ny fiaraha-monina mba ahatratraran'ny olona ny tanjony. Noho izany mila lanjalanjaina ny tena ilaina sy ny zava-dehibe. Tsy maintsy raisina ho zava-panahy ny fiainana anaty fiaraha-monina satria fifanakalozana fahalalana ao anatin'ny fahamarinana. Hoy ny Pape : Aoka tsy hatao fitaovana ny olona mba  hanatrarana tanjona. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Talata 28 febroary 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

♦ Tsy misy atahorana ny fiverenan'ny rivodoza Freddy. Ambany ny herijika hitomboan'ny heriny... ♦ Hamokatra angovo hatrany amin'ny 300MW ny tetikasa PRIRTEM 2. Tanan-dehibe roa, Antananarivo hatrany Antsirabe no handalovan'ny tambazotra fitaterana herinaratra izay mirefy 135km... ♦ Nanomboka androany ary haharitra folo andro ny "Caravane medicale Sarobidy ny Aiko", izay hisitrahan'ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ireo Distrika manodidina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...