Ho fanandratana ny "Teny Malagasy" dia ankalazaina isaky ny volana JONA ny iray volan'ny teny Malagasy, tompo-marika amin'izany ny Foibe momba ny teny an'ny Akademia Malagasy. Ny ohabolana sy ny famoronana no voizina amin'ity taona 2025. Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Tsy mifidy taona na sarangan'olona ny famoronana ohabolana.
♦ Mikononkonona ny hamolavola soso-kevitra entina hanatsarana ny fifidianana ka hanolotra izany eo anivon'ny governemanta sy ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ny CENI... ♦ Fanoitra iray lehibe hahafahana manatratra ny fandrosoana lovain-jafy ny fizahan-tany maharitra ho an'i Madagasikara. Antony iray namolavolana ny hay ranty momba ny fizahan-tany sy ny fandrosoana lovain-jafy andiany faharoa izany... ♦ Andrasana ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka manoloana ireo olona 20, voamarina fa maty tao amin'i Distrika Ikongo...
27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.
• Mikasa ny hanomana atrikasa iarahana amin'ireo mpisehatra amin'ny fifidianana ny CENI, mialoha ny hitondrany sosonkevitra hanatsarana ny fifidianana... • Mijoro, hanohitra amin'ny amabran'isy ireo ho tsy rariny sy fanamparam-pahefana ataon'olon-tokana ao amin'ny Distrikan'i Betroka, ny fikambanan'ny Zanak'i Betroka Miray na ny FIZABEMI... • Olona 20 no voamarina famaty tao amin'ny Distrikan'Ikongo. Andrasana ny vokatry ny fitikiana sy ny fanadihadiana ny antony nahafaty azy ireo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco