♦ Maro amin'ireo kandidà ho solombavambahoaka no efa mamita-bahoaka sahady hoy ny antoko Teza. Mpanao lalàna no asan'ny solombavambahoaka fa tsy mpanao fandaharan'asam-pampandrosoana... ♦ Efa miomana amin'ny fanaraha-maso ny zotra-pifidianana ny vovonana Firaisan-kina. Tsy azo ekena intsony ny endrika hosoka sy fanovàna ny voka-pifidianana hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manohitra ny fandalovan'ny "ligne télépherique" eo ambonin'ny faritry ny toeram-panabeazany ny sekolintsika eny Analamahitsy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ireo mpanabe sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao, androany maraina...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 1-10)

Mità makatý Masedônia ka vonjeo izahay.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Derbe sy Listra i Paoly,
ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timôte,
zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily.
Tsara laza tamin’ny rahalahy tao Listra sy Ikôniôma izy,
ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy;
dia nalainy izy ka noforàny,
noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany,
satria fantatr’izy rehetra fa jentily ny rainy.
Ary raha nitety tanàna izy ireo,
dia nasainy hotandreman’ny olona
ny didy navoakan’ny Apôstôly sy ny Pretra tany Jerosalema.
Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro.
Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galasia izy ireo,
dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia.
Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia,
nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa,
ka nandalo faingana an’i Mizia, dia lasa nankany Trôasy.
Nony alina, nahita tsindrimandry i Paoly:
indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany,
ka nihanta taminy nanao hoe:

“Mità mankatý Masedônia, ka vonjeo izahay.”

Ary rahefa nahita izany izy,
dia nitady hankany Masedônia haingana izahay,
satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 5

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria noarìny;
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)

Tsy olon’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha halan’izao tontolo izao ianareo,
dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.
Raha olon’izao tontolo izao ianareo,
dia ho tian’izao tontolo izao izay azy;
fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao,
dia halan’izao tontolo izao ianareo.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony.
Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo;
ary raha nitandrina ny teniko izy,
dia hitandrina ny anareo koa.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako,
satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny krsitianina tany Kôrinto (Kôr. 15, 1-8)

Niseho tamin’i Jakôba ny Tompo, vao tamin’ny Apôstôty rehetra.

Ry kristianina havana,
ampahatsiaroviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo,
izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena,
raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo;
afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra,
araka ny nandraisako azy:
maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;
ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo.
Manaraka izany dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy,
ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny,
fa ny sasany ihany no efa nody mandry.
Rahefa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstoly rehetra.
Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho,
dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony tsinjo eran-tany.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

Izay ela izay no nitoerako teto aminareo nefa tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’i Tômà nanao hoe:

“Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy.”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo
dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 22-31)

Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izay zavatra tsy maintsy tandremana.

Taorian’ny fiaraha-midinika tao amin’ilay fivoriana lehibe tao Jerosalema,
dia nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra
ny hevitry ny mpivory;
ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo,
mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy Barnabe:
dia i Jodà izay natao hoe Barsabasy,
sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny rahalahy, no laniny.
Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo:

“Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy
avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily,
izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia.
Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatý aminay,
izay tsy nahazo teny taminay velively,
nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,
dia nivory izahay rehetra,
ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo,
hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay,
lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay
hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo.
Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo,
afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:
dia ny hifadianareo hena natolotra tamin’ny sampy sy ny ra
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana;
soa ho anareo ny mifady an’izany.
Veloma.”

Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia;
ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo.
Nony namaky izany ny olona,
dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 56, 8-9. 10-12

Hidera Anao vory vahoaka aho, ry Tompo.

Mitombina ny foko, ry Andriamanitra!
ka mihira sy miantsa aho!
Foha, ry aiko! Foha, ry jejy sy valiha!
Izaho mifoha marainakoa,
fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo,
hiantsa Anao anivom-pirenena.

Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao!
Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo
izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...