Fianakaviana : fiarovana, izay filàna fototra voalohany. Misy antony maro mahatonga ny fianakaviana ho toy ny fanagadrana, fihafiana, fijaliana ; isan'ireny ny tsy fisian'ny fifampiresahana. Ny fomba fiainana ao an-trano dia misy akony lehibe amin'ny fanabeazana sy amin'ny sain'ny ankizy na ny tanora. Mba tsy ho kisary ratsy manoloana ny zanaka dia aoka hosohana ny fifamaliana eo imason'izy ireny... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Atao sary an'ohatra amin'ny trano ny fanavaozana ; ka moa ve afaka hisedra ireo olana maro samihafa ity fanavaozana kasaina? Zava-dehibe sy manandanja ny fahavanonana afahana miroso amin'ny fanavaozana marina, mifanaraka amin'ny hevitry ny maro, indrindra ny avy any ifotony. Ny fahavanona mitondra amin'ny fanavaozana dia ny fametrahana soso-kevitra amin'ny endriny samihafa sy ny famitàna ny adidy aman'andraikitra manandrify... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny tontolon'ny zokiolona dia mirindra kokoa rehefa fantatra ny toe-pahasalamany, ary koa araka ny fitsaboana azy, torimaso sy ny sakafo. Ny mpitsabo no tsara toerana hilaza ny tena olana ara-pahasalamana ho an'ny olona iray. Ny atidoha, indrindra ho an'ireo ankizy sy tanora, dia tsy mandray fandraràna (AZA) loatra fa teny sy zavatra mahitsy no tena raisiny ; noho izany dia manohitra izay lazain'ny ray aman-dreny ireo sokajin-taona ireo noho ilay fandraràna tsy miraikitra firy anaty atidoha... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nahavelom-belo ny mpiantsehatra amin’ny lalam-pihariana ronono iny taona 2025 lasa iny. Nivoatra hatrany mantsy ny tontolon’ny lalam-pihariana ronono eto amintsika hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.
Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nanofana tanora maro misehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra nandritra ny taona maro ny Réseau SOA sy ny mpiara-mimbona antoka aminy. Maro amin’ireo tanora voaofana sy napetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo no efa manana asa mitombona tsara amin’ny alalan’ny tetik’asa nataony.
Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Miantoka ny fahatsarana sy fitomboan'ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina. Fampiasàna ny masomboly novokarina manokana sy voafantina ary voamarina no tena azo antoka amin'ny fahazoana vokatra tsara sy betsaka. Tena ilaina ny miverina amin'ny masomboly voafantina sy mampiasa ireo masomboly novokarina manokana raha tiana ny hitazona sy hampiakatra ny fahombiazana amin'ny famokarana atao...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, ny fahasarotana indrindra anefa no tokony vao maika hanosika amin'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana. Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin'ny fitiavana amin'ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana dia fiangonana kely mariky ny fanantenana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....
Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco