Tsikaritra ho mivaona kely ny fanamarihana ny 8 marsa, izay somary nirona tamin'ny fisehoana ivelany fotsiny, haingo sy fety ; ny tena votoatin'ny 8 marsa anefa dia fitakiana ny zo izay tsy sitrahan'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro (ohatra : zo hiasa sy handray tambin-kasasarana, zo ho arovana...) Ny vehivavy dia hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena, ny vehivavy rahateo no fototry ny fanabeazana noho izany dia manana ny lanjany amin'ny lafin-javatra maro izy ireny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny loha dia ilaina sasàna indray maka isan-kerinandro ka diovina ny hodi-doha sy ny volo ; ilàna fitandremana sy fandanjalanjàna ny fampiasana ireo vokatra fanosotra amin'ny volo mba tsy hiteraka olana. Ny tarehy dia saro-pady ka tokony sasàna maraina sy hariva ; tandremana tsara ireo vokatra misy "diprosone - corticoïde" fa manimba ny hoditra, mety hakasika ny fahasalaman'ny maso raha tsy voafehy ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nampihatrano fihaonana iraisam-pirenena momba ny lalam-pihariana vary i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny efatra andro nanomboka androany ny fivoriambe faha folon’ny Fikambanambe ampiroboroboana ny voly vary aty Afrika na ny CARD( Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique) sy ny andiany faha 21n’ny fivorian’ny komity mpitantana (Cmité de Pilotage)...
Ny fanatontoloana dia dingana fanokafana ny tsenam-pirenena ho an'ny vondrom-piaraha-monina iraisam-pirenena, manamafy ny fifanankalozana entana, asa, fampiasam-bola, olona ary vaovao samihafa sy ny teknôlôjia môderina mandrindra ny fifandraisana. Misy fiantraikany eo amin'ny fiainam-pianakaviana ny fanatontolona toy ny fahaverezan'ny soatoavina sy ny kolontsain'ny fianakaviana, hatramin'ny fahapotehan'ny teny Malagasy, manimba ny fifandraisan'ny fianakaviana, manimba ny fitaizana ireo tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny aina dia manana ny hasiny. Misy ireto dingam-piainana ireto, azo sokajiana ho tena sarobidy satria fototry ny fitohizanaina dia ny ao am-bohoka izany hoe eo amin'ny fiforonan'aina hatramin'ny faha 9 volana, ny fiainan'ny menavava manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny faha 2 taonany, ny dingaha maha zazakely dia 2taona hatramin'ny 5taona. Ilana famendrehana hatrany ny fandanjalanjàna ny fikoloana ny aina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Miroborobo ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ankehitriny ny teknika fambolem-bary P-Dipping. Teknika novolavolain'ny tetik'asa Fy-Vary izay efa andiany faharoa amin'izao fotoana izao. Tetik'asa iarahan'ny governemanta malagasy sy governemanta japôney miasa ary vatsian'ny sampan-draharaha japôney momba ny fiaraha-mias iraisam-pirenena (JICA) vola. Manatsara ny voka-bary amin'ny tany manta tsy ampy zezika sy manafaingana ny fitombon'ny vary mba tsy ahatratrarany ny fotoan'ny hatsika ny P-Dipping...
Ao anatin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy isika eto Madagasikara, ary isan'ireo manana izany zo izany ny vehivavy mpiasa an-trano. Manana ny zo sy mendrika hajaina ny vehivavy amin'ny lafiny maro. Iharan'ny herisetra amin'ny lafiny maro ny vehivavy mpiasa an-trano, tsy mahazo karama, fanetrena voninahitra, manginy fotsiny ny vono sy ny teny mahery. Maro ny mbola tsy ampy taona amin'ireo miroso amin'ny asa an-trano ka ireny dia hanentanana ny mpampiasa azy mba hitondra ireny mpanampy ireny ara-drariny toy ny fianakaviana sy zanaka mihitsy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny tantara amin'ny hendriny rehetra dia ilaina amin'ny fifandraisana, indrindra ao anatin'izao rafitra fanatontoloana izao. Ny mahadika ny hoe "fanatontoloana" dia izao tontolo izao an'ny olombelona rehetra, izany hoe izay mahazo ny toerana iray dia mahakasika ny rehetra. Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny izao tontolo izao, manoloana ny ady ifanandrinan'ny firenena maro any ivelany any, mahakasika an'i Madagasikara izany na amin'ny ampahany aza ka isan'izany ny sandam-bola sy ny fanjifàna solika ary ny olana ara-toekarena haterak'izany... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fivoaran'ny tontolo ivelan'ny trano iainan'ny ankohonana manefy amin'ny ampahany amin'ny fitaizana. Misy ny lalàna mamaritra ny zon'ny ankizy sy fiarovana azy ireny ; misy ny lafiny tsara isan'izany ny fiasorohana ny herisetra na ara-tsaina na ara-batana. Fandrasoana amin'ny maha-olona ny fisian'ny lalàna miaro ny ankizy sy ny zony, anefa mbola mila ezaka ny fampahafantarana sy ny fampiharana izany, mila paik'ady ny fandresen-dahatra hampiharana izay voasoratra. Ny trangana tsy fandriam-pahalemana amin'izao fotoana izao dia misy fiatraikany amin'ny fanabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nanapa-kevitra hividy ny tahirim-barin'ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny orinasam-panjakàna SPM, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna, ho fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny fidinan'ny vidim-bary. Isan'ny misitraka izany ny ao amin'ny tompon'andraikitra sy ny tantsaha ka niafara tamin'ny dinika nanapahan-kevitra tao Imerintsiatosika. Nambaran'ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien fa latsaka ambany noho isan-taona ny vidim-bary tany amin'ny tantsaha tamin'ity taona ity ka maty antoka ireo nanao tahiry tany an-tsopitra...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco