Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitoniana dia singa fototra amin'ny fomba fanapahan-kevitra. Amin'n alalan'ny famakafakàna, ny fanadihadiana, ny fikarohana sy fampiasàna vaovao azo antoka dia mahatsara ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra, indrindra anaty fitoniana. Ny fanapahan-kevitra voalanjalanja dia azoana antoka hanatsarana ny fiainana ary hanorenana ho avy maharitra sy mirindra. Ny safidy voalanjalanja dia afahana miatrika ny fanamby misy atrehin'ny tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fanabeazana dia miainga amin'ireo ray aman-dreny, mpanabe tompon'ny fahalalana, fahendrena ary ny fahamarinana. Ny olombelona dia efa manana ny maha izy azy, vatana, fo, saina ary fanahy, etsy ankilany anefa ny adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny mampivelatra kokoa ireo singa samihafa ireo. Ny haino aman-jery dia manana anjara biriky goavana amin'ny lafiny fanabeazana ; anefa ilaina ny fandraisan'andraikitry ny ray aman-dreny noho ny fahasamihafana sy fihamaroan'ny fomba fanabeazana misy, indrindra manoloana ny fandrosoan'ny teknôlojia ankehitriny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Maro ny olona no tsy mino fa misy ny aretina SIDA eto Madagasikara, ary indrindra ny fitsaboana izany. Ny tsimok'aretina VIH no mitarika amin'ny tambatr'aretina SIDA. Misy ny aretina mpanararaotra miaraka amin'ny VIH dia ireo aretina manamarika ny fihidinan'ny hery fiarovana. Ny fisorohana voalohany indrindra dia ny fitiliana, manaraka izay ny fitandremana amin'ny lafiny firaisana ara-nofo, fanarahana fitsaboana amin'ireo efa marary mba tsy hamidra amin'ny hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...

Ny fanovana dia dingana mankany amin’ny tsara kokoa, ary ny mpitarika dia olona afaka mandresy lahatra sy manome ohatra ampiariny "Modely". Mitaky toetra toy ny fahamarinana, fahasahiana, fahaiza-mihaino, fiaraha-miasa, fahatokisan-tena ary faharetana izany. Ny fahaiza-mitarika dia fomba fiaina sy firotsahana, ary ny tanora mpitarika fanovana dia fitaratra sy hery manosika ho an’ny fiaraha-monina. Mitaky toetra sy fomba fisainana sy fieritreritra: fahatsapna andraikitra, fahamarinana sy fahitsiana, fahauza-mihaino sy manaja ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy misaraka ny zo sy ny hasina ho an'ny vehivavy, tsy maintsy mifandroy amin'ny toetra amam-pihetsika anefa ireo. Ny zo dia filàna ara-boajanahary ho an'ny olona iray mba hampivelatra azy eo amin'ny fiainany. Ny zo dia mitaky toetra mendrika. Ny hasina dia fanajàna ataon'ny olona : ny toetra dia isan'ny fototra afahana mitaky hasina (fomba fiteny, fiankanjo, fitondran-tena...). Mila manome haja ny tenany ny vehivavy mba hanomezan'ny olona hasina azy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Manohana ara-tsôsialy sy toe-karena ny mponina manodidina indrindra fa ny tantsaha anatin’ny andraikitry ny orinasa ho an’ny fiaraha-monina na ny RSE ny orinasa QMM. Anisan’ny tohanan’ny Qit Mineral Madagascar na QMM ny lafiny fambolena. Misy ny tetik’asa Lombao tohànan’ny orinasa, hivelaran’ny mpamokatra sy ny tanora mpamokatra amin’ny sehatr’asany. Anisan’ireo nahafeno ny masontsivana amin’ny tohana omen’ny tetik’asa Lombao i Randrianambinina Firmin, tanora vao erotrerony monina ao amin’ny fokontany Emôty kaominina Mandromondromotra distrikan’i Taolagnaro...

Eo amin’ny olombelona, ny sela tsirairay dia manana chromosomes 46 voarindra ho 23 mandeha tsiroaroa mivady. Ny 22 amin’ireo 23 ireo dia iraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny faha-23 farany dia mamaritra ny toetra maha-lehilahy XY, ary maha-vehivavy XX. Raha vao misy tsy araka ny tokony ho izy ireo chromosomes 23 ireo dia misy vokadratsy lehibe eo amin’ilay olona isehoan’izany. Ohatra ny fahadisoana teo amin’ny chromosome faha-21, izay tokony ho tsiroaroa dia lasa telo. Io no antsoina hoe : trisomie 21... Maro ny tsy fahasalamana tokony ho fantatra momba ireo olona voakasiky ny trisomie mba afahana miahy azy ireny. Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...