Vitsy ny olona manaiky ny fahadisoany satria very sy mihena ny fanajan'ny hafa azy ; antony tsy handraisan'ny tanora andraikitra ny tahotra ny ho diso, na ihany koa tahotra sao tsarain'ny hafa. Ny fomba afahan'ny tanora mandray andraikitra dia entanina hanapa-kevitra tsikelikely dieny mbola zaza ary mba hihevitra sy hanome lanja ny tenany, atao fantany fa ny fahadisoana dia fanombohana amin'ny fanatsarana vaovao... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Isan'ny sehatra miaina ny rivotry ny fanavaozana misy ankehitriny ny diplômasia sy ny toerana, indrindra ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenen-dehibe any ivelany toa an'i Rosia sy i Frantsa. Ny arofenitra fandraisana ataon'ny firenena tsirairay dia afahana mamantatra ny dinika izay nisy sy hisy aorian'ny fihaonana. Ny fahafantarana ny tantara nisy teo amin'ny fifandraisana ara-diplômatika nisy hatramin'izay dia manampy amin'ny fomba fanapahan-kevitra ; irina mba hisongadina ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny mifanohitra amin'ny aina dia fahafatesana ; vao mitsaika ao am-bohoka hatramin'ny fahafatesana dia fotoana hikoloana sy hiarovana ny aina. Ny aina sy ny fitsaihina dia vokatry ny firaisana ara-nofo, mety ho tsy-nahiana fa mety ho tena tao anaty fitiavana tokoa. Ny aina no tena maha olombelona noho izany dia zava-dehibe sy tokony harovana ary hajaina mba hisy ny fitohizan'aina ara-boajanahary, eo koa ny sakafo sy ny fikoloana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Niforontanan'ny fisakafoana mahazo ireo olona tsy mahinana sakafo na tsy te hihinana, ireo mihinana be loatra, ireo tsy mahalany ny sakafo sahaza azy, ireo manam-pahazarana manao be am-bava, ireo dia samy fambara olana ara-pahasalamana. Ny tsy fahazotoana misakafo dia fambara hoe tsy salamana ny olona iray. Ny fikorontanan'ny fisakafoana dia mety ho vokatry ny aretim-bavony, ny lalan-kanina no misy marary... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nangingina tato ho ato, tao anatin'ny taona maro ny fivoizana ny voly vary SRI eto Madagasikara. Manohy ny sehatr'asany hatrany anefa ireo mpandala ity teknika fambolem-bary ity eto amin'ny nosy saingy tsy mba misy mpahalala ny asa ataony. Mivoatra ny haitao entina ampiroboroboana ny voly vary SRI saingy tsy heno firy ihany koa ny tohiny. Isan'izany ilay milina fanetsana mampiasa ny teknika bata-tany noforonon'ingahy Gislain Raharinaivo, injeniera momba ny fambolena miara-miasa amin'ny orinasa atsy Afrika...
Ny ankamaron'ny vahoaka ankehitriny dia miaina fahasahiranana lalina ary maro ny marary tsy manana fahafahana mitsabo tena, etsy ankilany ny voina vokatry ny rivodoza. Ilay Samaritana tsara fanahy araka izay voasoratra amin'ny hafatry ny Ray Masina Léon XIV dia modelin'ny fangorahana, izay tsy fahalemena fa hery arahina fahendrena, fisokafana. Ny atao mahasarika ary mandrisika ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manomboka amin'ny faha-13 ka hatramin'ny 15 taona ny fivelaran'ny fitiavan'ny tanora, ka ny ankizy vavy no misarika mialoha ny lehilahy ary ara-boajanahary izany, mifandrohy amin'ny fisian'ny ra eo amin'ny vehivavy. Noho io lamina ara-boajanahary io dia manosika ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny handanjalanja ny fomba fanabeazana ny tanora. Misy fihetsika na toetra miova rehefa tonga amin'ny fotoana fahamaotinana ny ankizy sy ny tanora ; tsy azo fehezina tsy hitia ny olona iray... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.
Ny fifandraisana amin'ny lafiny rehetra, amin'ny mpiara-belona, amin'ny voary manontolo dia anisan'ny antoka lehibe ho amin'ny ho avy mandrakizay. Misy fiovana lehibe miantraika amin'ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana, ny tanora ary ny fiaraha-monina noho ny : teknôlôjia sy ny tambajotra sôsialy, ny ara-toekarena ara-kolontsaina ary ireo toe-javatra manokana izay mety hiteraka adin-tsaina sy fifandirana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandritry ny torimaso no miala sasatra ny saina sy ny vatana ary hanovozana herim-batana sy herin-tsaina ; ao anatin'ny torimaso no manavao ny sela ny vatana sy ny taova, manamafy ny hery fiarovana. Mandritry ny torimaso no miasa ny atidoha manamafy ny fitadidiana sy mandray ho raikitra izay fahalalana noraisiny ary manivana izay tsy ilainy, amin'io fotoana io no mandamina ny fiasany ny tsirim-panentana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny GERP dia vondrona iray miaro sy mikaroka ny gidro, ny varika sy ny ala eto Madagasikara, miaro ny tontolo iainana. Ilaina ny fanamaitsona ny tontolo sy ny fambolen-kazo mba hanavotana ny zava-manan'aina rehetra ; misy ny roh mampifandray ny olombelona sy ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tokony hakendry ireo toerana misy fahasimbana (ngazana, mihotsaka...), anefa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso azy ireny. Ilaina hatrany ny mamantatra ny karazan-kazo tokony hovolena, torak'izany koa ny toerana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco