Ny fanovàna ny toe-tsaina dia fototry ny fahombiazana amin'ny lafiny maro. Izay hitan'ny maso no mandrafitra ny fo sy ny saina ary miainga amin'ireo ny hetsika manosika ny olona iray hanao zavatra. Ny fahitana fako miparika eny amin'ny arabe dia mikitika ny fisainan'ny olona mba handray andraikitra. Ny safidy sy ny talenta izay nomen'Andriamanitra ny tsirairay no mamaritra ny fivoarana na tsy ho an'ny olona iray... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ireo "FA" miisa 4, mifampiankina sy mifameno : Fahalalana, fahaiza-manao, fahombiazana, fahavanonana. Ny fahalalana dia ilain'ny olona rehetra, antony handefasana ny ankizy hianatra, eo koa ny fiofanana maro lafy. Ny fanitaràna ny fahalalana dia mampitombo ny fahombiazana amin'ny zavatra hatao. Ny fahaiza-manao dia afahana mahazo vokatra, ary manome aina ny fahalalana. Miankina amin'ny tsirairay anefa fahafahana mitrandraka ireo "FA" miisa 4 ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy fotsy, mainty maso, no nimasoan’izy ireo teo aloha. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy, dia nampiroborobo izay voly soza izay ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny...

Ny soatoavina Malagasy dia fomba amam-panao, fihetsika, toetra, fomba ary foto-pisainana izay mifehy sy mitarika ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Ireo no maha-izy azy ny firenena sy mamolavola ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny anefa dia hita very sy mihalefy ireo noho ny rivo-baovao misy ankehitriny, ny teknôlôjia, ary ny faharefoan’ny fanabeazana. Noho izany dia ilaina ny mamerina, mampahatsiahy izany mba hisian’ny fitondran-tena mendrika sy lavorary. Azo ampiharina io manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH/SIDA... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Vavolombelon'ny fifankatiavana eo amin'ny mpivady ny tokantrano maharitra an-taonany maro ; andry telo hiorenan'ny tokantrano ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ho fanavaozana ny rafitra misy ankehitriny : ilaina ny finiavana hifanatona sy hifampihaino. Ny fanovana toe-tsaina miainga amin'ny tsirairay no fototry ny fanovana, ilaina ny fanaingana ny fanavaozana avy any ifotony amin'ny alalan'ny fakan-kevitra any amin'ny Fokontany sy ny isam-pikambanana na vondrona maro lafy. Hatafitàna amin'ny tanjona iray dia tsara raha atao mazava ny dingana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mbola iharan’ny olana amin’ny fizakana tany ny ankamaroa’ireo vehivavy tantsaka eto amintsika. Maro koa ny olana hafa mitranga. Nivoitra nandritra ny fanatevena-pahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany nandraisan’ny solontenan’ireo tantsaha ao amin’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny any Boeny, Matsiatra Ambony ary Bongolava sy ny tantsaha avy amin’ny FIFATA avy any Ihorombe, Vakinakaratra ary Itasy...

Tamin'ny 15-16 novambra 2025 dia nanamarika ny taon-jôbilin'ny mahantra ny Fiangonana, izay nampahafantarana ny hasina maha-olona sy ny zon'ny olona mahantra, nifanentanana amin'ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana eo amin'ny samy Kristiana. Zo fototra ny fisitrahana ny zo ara-pahasalamana ho an'ny olona rehetra na lahy na vavy, na mahantra na manana : fisorohana, fitsaboana, fanaraha-maso. Maro ireo antony tsy hisitrahan'ny mahantra ny zony : tsy fahampiana ara-bola sy fitaovana, lavitry ny tobi-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fahaiza-mihaino dia manamafy ny fifandraisana, izay fototry ny fifampitokisana. Ny fifampitokisana dia ilaina eo amin'ny olon-droa mifankatia na ankohonana, fiaraha-miasa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fisokafana eo amin'ny mpitondra sy vahoaka, miteraka fanantenana lehibe izany ; voaporofo ny fananana fahafahana raha tsy hilaza afatsy ny fahafahana mivory sy miteny. Tena ilaina ny toe-tsaina tena tompon'andraikitra ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, ilaina ihany koa ny tsikera ombana soso-kevitra miabo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tato anatin'ity telo volana voalohany amin'ny taom-pianarana ity dia maro ireo tsy fahatomombanana ara-potoana sy ara-pampianarana noho ireo fitokonana ; maro ireo sekoly no tamin'ny 10 novambra vao tena nianatra. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia manana adidy hampaomby ny fanabeazana sy fampianarana. Ny Mpisehatra amin'ny fanabeazana dia manana adidy hampahery ny mpianatra manoloana ny famitàna tetiandro-pampianarana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny atao hoe "FANAMBY" dia ahitana ny foto-teny hoe "TAMBY", izany hoe Valisoa sy tanjona. Ny fanamby ho an’ny fianakaviana dia ny mba ho fianakaviana mifanohana sy mifanampy , mifankatia mba ahazoana ny tena fahasambarana sy fiadanana. Ny vahaolana manoloana sedra hatrehin'ny fianakaviana : mifandefitra , mifampihaino , mifanaja , mifampiresaka.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...