Alatsinainy 13 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 – 11, 1 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko Izy ; ka ho tian'ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Alahady 12 jolay 2020 — Alahady faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-23 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana ; ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
09 jolay — Teraka tao amin’ny faritanin’i Sichuan tao Chine i Augustin Zhao Rong, mpanompo sampy ny fianakaviany. Nilatsaka ho miaramila izy teo amin’ny faha-20 taonany ka ny 1857 dia izy no nitondra ireo gadra kristianina nakany Pékin ary anisan’izany gadra izany moa i mompera Gabriel-Taurin Dufresse.
08 jolay — Zanak’i Bouchard de Marly sy Matilde de Châteaufort, zafikelin’ny mpanjaka Louis VI, i Thibaut. Teraka tao Marly izy, ary toy ireo zanak’andriana rehetra dia nahazo fanabeazana ho miaramila fa tao amin’ny tontolo tena kristianina. Mbola kely izy dia efa nanana fanajana manokana an’i Maria Virjiny izay nambarany fa reny tsara sy mpampianatra malalany.
07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.
Sabotsy 11 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33 — Sambatra ianareo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Zoma 10 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23 — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan'izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin'ny fahamarinana.
06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.
Alakamisy 09 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15 — Andriamanitra no mampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Alarobia 08 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7 — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
♦ Olona 213 vaovao indray no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika. Telo no namoy ny ainy... ♦ Miverina mihiboka tanteraka manomboka anio, hatramin'ny 20 jolay ny eto amin'ny faritra Analamanga... ♦ Miaramila miisa 500 no nahetsika, hanatanterahana ireo fepetra amin'ny fiverenan'ny fihibohana eto Analamanga...
Talata 07 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38 — Velomy araka ny hatsaram-ponao ; mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco