Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16

Haharitra mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka
sady nomen’ny Tompo fandriampahalemana
tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany :

“Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”

Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:

“Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo.”

Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe;
izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry
no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako,
amin’i Israely;
ary izay nalehanao nombàko anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza
toy ny anaran’ny olomalaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana
toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara
hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona amin’ny fahavalonao rehetra Aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao
sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko;
hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao;
haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra,
avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79

Hamangy antsika ny Masoandro avy any ambony.

Tamin’izany andro izany,
feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain’i Joany,
ka naminany hoe:

“Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny olony,
ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika
tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany masina
hatramin’ny andro tany aloha,
mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika
sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,
dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika
hanome antsika fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,
amim-pahamasinana sy fahamarinana,
eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe:
mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,
mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
amin’ny famelana ny helony.
Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika
nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany 3, 1-4. 23-24

Indro Aho haniraka an’i Elia ho anareo alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

Indro Aho haniraka ny irako;
ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako;
dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo,
ilay anjelin’ny fanekena irinareo.
Indro avy izy, hoy ny Tompon’ny tafika.
Iza no hahatanty ny andro hiaviany,
ary zovy no hahajoro, raha miseho izy?
Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika izy
sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.
Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy;
hanadio ny taranak’i Levï izy,
ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy,
ka dia ho mpanompo izy ho an’ny Tompo,
hanolotra fanatitra ara-drariny aminy
ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha;
toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.
Indro Aho haniraka an’i Elia, mpaminany, ho aminareo,
alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo,
sady lehibe no mahatahotra.
Hampody ny fon-dray ho amin’ny zanany izy,
sy ny fon-janaka ho amin’ny rainy,
fandrao ho avy Aho ka hataoko anatema ny tany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsara sy mahitsy ny Tompo,
ka ny mpanota toroany lalana:
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Ny lalan’ny Tompo rehetra: hatsaram-po sy fahamarinana
amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny.
Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy;
ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Ny nahaterahan’i Joany Batista.

Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy
no ndeha hataony anarany.
Fa niteny reniny nanao hoe:

“Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy.”

Fa hoy izy ireo taminy:

“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”

Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fàfana izy,
ary nanoratra hoe:

“Joany no anarany”;

ka gaga daholo ny rehetra.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany,
ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza
tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany.
Ary izay rehetra nahare
dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe:

“Ho inona re ity zaza ity?”

Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 5, 1-4a)

Avy aminao no hipoitra Ilay hanjaka amin’i Israely.

Izao no lazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony;
ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19

Ry Tompo Andriamanitra ô, ampodio amin’ny toetra taloha izahay, Ary ampamirapirato ny Tavanao dia ho voavonjy izahay.

Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.

Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.

Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 5-10)

Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao.

Ry kristianina havana,
rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:
Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,
— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao;
ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)

“Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?”

Tamin’izany andro izany,
niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao;
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Hikatona anio alatsinainy 9 desambra amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidinana Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina, izay hotontosaina ny alarobia 11 desambra 2024 ; saika fa nahavita ny kandidà tamin'ny faran'ny herinandro teo ...

  • Mandray andraikitra amin'ny fampisitrahana ny olom-pirenena ny rano ny fidiovana ary ny fanadiovana ny OSCEAH ; nihaona tamin'ny Kandidà ho ben'ny tanàna taminà Kaominina miisa 30 ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana ity...

  • Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly. Loha-hevitra : Miombona amin'ny tanora hanohatra ny kolikoly, manangana ny ampitso hanjakan'ny fahitsina... 

Tsy misy afaka milaza fa tena mahay mivavaka, fa ezaka mitohy mandrakariva izany, ny Mpianatr'i Jesoa aza nifanerasera naharitra taminy dia mbola nangataka ihany hoe " mba ampianaro mivavaka izahay". Tamin'izany andro izany, ny "Rainay any an-danitra" araka ny voalazan'ny Evanjely no nampianarin'i Jesoa, fa ankehitriny dia maro ireo endriky ny vavaka ampianarin'ny Eglizy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Maty ny Fiangonana satria matahotra hiteny ny marina sy mazava ny mpiandry ondry ; matahotra ny haino aman-jery sy ny hevi-bahoaka ireo mpiara-miasa amintsika ; ny mpiandry ondry tsara dia sahy manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny. Tokony hangovitra ireo Eveka rehefa miheritreritra ny fahanginan'izy ireo manoloana ny tsy rariny sy ny heloka. Mila beazina ny olona mba ho olom-pirenena vanona... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

  • Namoaka fanambaràna momba ny fiainam-pirenena ny FFKM, taorian'ny fivorian'y Kômity tany Morondava. Mahantra sy ampahantraina ny vahoaka Malagasy maro an'isa hoy ny fanambaràna...
  • Kitoatoa ny fikarakaràn'ny CENI ny fifidianana Ben'ny Tanàna noho ny resaka "ordonnance" hoy Ramasy, anisan'ireo mpiara-mitantana ny antoko MFM...
  • Hosokafana any amin'ny Oniversite an'i Fianarantsoa ny lalam-piofanana momba ny tao-tsarintany nomerika. Tanjona ny hampiofanana mpianatra Malagasy eo amin'io sehatra io...
  • Haverina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany any Roumanie ; nofoanan'ny Fitsaràna momba ny Lalam-panorenana ny fifidianana fihodinana voalohany ny 24 nôvambra teo...

  • Ny Fiangonana Katôlika indray no hitantana ny FFKM amin'ny taona 2025, araka ny tapaka tamin'ny fivorian'ny kômity foibe andiany faha-46 notanterahana tany Morondava...
  • Mpifidy vaovao maherin'ny 68.000 no nampidirin'ny CENI anaty lisi-pifidianana manerana ny nosy. Afaka hifidy amin'ny 11 desambra izao izy ireo, taorian'ny fahazoana ilay "ordonnance"...
  • Tokan-trano 400 isa no tandindomin-doza amin'ny fihotsahan'ny tany sy ny vato ao an-drenivohitra. Nametrahan'ny BNGRC saina mena 500 isa ireo Fokontany 7 amina faritra avo...
  • Miha-mahazo vahana any Syrie ilay vondrona mitam-piadiana Hayat Tahrir Al-Sham. Resy tosika ny tafi-panjakàna Syrianina, ahiana ny hionganan'ny filoha Bachar Al Assad...

Alahady faha-2 fiavian’ny tompo — taona D : matokia, mifalia fa mpamonjy andriamanitra ; Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra. Ny fitorian'ny Joany ny Batemy dia amin'ny feo avo, i Joany dia ilay feo avy any anefitra, ako re avy any anefitra, ny ako dia avy amin'ny teny, ary ny teny dia i Kristy hiseho nofo aman-dra, io no manambara fa mpialoha lalana an'i Mesia i Joany. Ny endriky ny Batemy fibebahana dia izay nambaran'i Joany hoe : amboary ny lalan'ny Tompo. Miha tany efitra ny fiainantsika noho ny tsy fahampian'ny Vavaka sy ny fanadinoina an'Andriamanitra...

Mila manana faharetana isika araka ny fampianaran'i Jesoa ao amin'i Masindahy Lioka 11, 9 "ilay fanaovana lemozy amin'ny vavaka. Maria dia nanaiky ny sitram-pon'Izy Tompo ary fankatahaka izy ; ny herin'ny "ENY" nataon'i Masina Maria tao anatin'ny hatanorany dia manaitra mandrakariva. Ny vavaka iarahantsika amin'i Masina Maria dia tsy very maina... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

Efa hatrany am-boalohany mihitsy no efa niantsoan'ny Fiangonana an'i Masina Maria ho renin'Andriamanitra. I Masina Maria no ohatra lehibe ho antsika olombelona rehetra ato anatin'ny Fiangonana. Ny prefasy atao mandritra ny fankalazana ny 8 desambra dia manambara amintsika ilay reny madio tsy azom-pentina, ilay virijiny nofidin'Andriamanitra hiteraka ny zanany... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

Nanatevina ny fahalalany momba ny fiovan’ny toetr’andro ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Réseau SOA miara amin’ireo tanora tompon’andraikitra ao aminy. Fihofanana natao Ilafy ny 20 Novambra 2024 ka ireo iraka avy amin’ny AFDI, fikambanan’ny tantsaha avy any Frantsa, no nizara ny traik’efa sy ny fahalalana. Noresahan’ireto iraky ny AFDI ireto ohatra ny antony mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, ny fisehoany amin’izao fotoana izao, ny fiatraikany amin’ny famokarana eran-tany ary isan’izany ny eto Madagasikara, ny tokony hatao hiatrehana ny voka-dratsiny...

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...