Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka. Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Midina ifotony mijery ny fizotran'ireo tetik'asa vatsiany vola ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania sy Vakinakaratra ny JICA. Nisantarana izany omaly ny tao amin'ny ivon-toerana Ambatonitaiva Ivony ao Ambositra... ♦ Fanambin'ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hampitombo ny isan'ny pôlisy monisipaly ao aminy ho 1.800 afaka 10 taona. Ny polisy monisipaly izay mankalaza ny faha-25 taonany amin'izao fotoana izao... ♦ Miantso ny Fanjakàna hanao ny fomba rehetra hampiato ny fandefasana teratany malagasy ambara fa hiasa any Dubai, Andriamatoa Ny Rado Rafalimanana. Misedra olana mantsy ny ankamaroan'ireo tonga any...
♦ Mifototra indrindra amin'ny fanampiana ho an'ny fampandrosoana ny daholobe, ny Sampan-draharaha Japôney Misahana ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena, na ny JICA... ♦ Vinavinaina hiakatra ho 1.800 ny isan'ny pôlisy monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, afaka folo taona, raha 600 izy ireo ankehitriny... ♦ Nitatitra ny asa vitany tao anatin'izay fe-potoana intelo misesy nitantanany ny Kaominina Itaosy izay, ny Ben'ny Tanàna Randrianarisoa Jean Richard...
♦ Nampiantso fivoriana maika niaraka tamin'ny Ministry ny Angovo, ny Ministry ny Rano Fanadiovana sy ny Fidiovana ary ny Tale Jeneralin'ny orinasa JIRAMA manoloana ny olan'ny famatsiana rano sy herinaratra ny filoha Rajoelina Andry omaly... ♦ Tsy ampy 100 tapitrisa litatra ny rano vokarina eny Mandroseza hamatsiana ny filan'ny mponina eto Antananarivo antony mahatonga ny olan'ny famatsiana rano amin'izao fotoana izao, mbola very anatin'ny fantsona mpitondra rano ny 25% amin'ny vokatra... ♦ Nibahan-toerana tamin'ny fivoriana voalohany momba ny FEC sy ny FRD ny mahakasika ny fanitsiana ho an'ny vidin-tsolika sy ny teti-bola 2025...
♦ Miroso amin'ny fanamboaran-dàlana amin'ny faritra miisa 20 ao Antananarivo renivohitra ny ministeran'ny asa vaventy sy ny Kaominina, vinavinaina aharitra 2 volana ny fahavitan'ny asa... ♦ Mandray fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny zon'ny Fokonolona isika eto Madagasikara, fiofanana hiarahana amin'ny RRI sy ny SIF eny amin'ny Radisson Blue... ♦ Hatao any Sainte Marie, ny andiany faharoa amin'ny Festival des pirates, hetsika hanomezana sehatra ny tontolon'ny fizahantany sy hampahafantarana ny nosy Boraha... ♦ Any Rwanda : nanomboka omaly 1 oktobra tao Paris-France ny raharaham-pitsaràna an'i Dr Eugène Rwa Mucyo ; raharaha vono olona faobe tao Rwanda ny taona 1993...
♦ Mifanome tanana amin'ny fanamboaran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena, hoy ny Minisitra... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny atrikasa fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny tsara ho fantatra momba izany. Hetsika karakarain'ny fikambanambe iraisam-pirenena RRI sy SIF... ♦ Hitohy amin'ny 1 hatramin'ny 3 nôvambra 2024, ny Festival Pirates any Sainte Marie. Ny hanetsehana ny fizahan-tany sy ho fampahafantarana ny tantaran'ny Nosy Boraha no tanjona...
♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...
♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ireo OVEC manerana ny nosy omaly. Voatana avokoa ireo kandidà fito, ho an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Voafonja enina no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin'ny fonjan'i Mananjary, tato anatin'ny iray volana sy tapany... ♦ Niato ny fampandehanana ny pipeline an'ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny alakamisy teo. Nisy ny tsy fahatomombanana tampoka tamin'izany fantsona izany, hoy ny tompon'andraikitra...
♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...
♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 15-23)
Ry kristianina havana,
nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho,
sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’ny Rain’ny voninahitra,
Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo
ny fanahin’ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany,
famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 8, 2-3a. 4-5. 6-7
Inty aho hihira ny fiandriananao.
Ambony sy madera manoatra ny lanitra.
Ireo vao minono sy ireo zaza bodo
no he miantsa Anao ka mitory fiderana.
Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao,
ny volana, ny kintana ’zay namboarinao;
fa inona ny olona no mba tsiahivinao!
Ny zanak’olombelona e tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy.
Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy.
Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 9-17a)
Ry malala,
tongava faingana atý amiko ianao,
fa nilaozan’i Damasy aho,
noho ny fitiavany an’izao tontolo izao,
ka lasa nankany Tesalônika izy.
I Kresensy lasa nankany Galasia,
ary i Tito any Dalmatia;
i Lioka irery no eto amiko,
ka alao i Marka, ento miaraka aminao,
fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.
I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.
Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy
ao amin’i Karpôsa rahefa mankatý ianao,
ary ny boky koa,
fa indrindra ny taratasy hoditra.
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko;
ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy,
fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena;
fa nilaozan’izy rehetra aho;
enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy,
mba hanatontosako ny fitorian-teny,
sy handrenesan’ny jentily rehetra azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery;
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry
eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa,
na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory any an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;
ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco