♦ Nosokafana tamin'ny Sorona Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa, ny “Chapitre Provincial” faha-11 an'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy... ♦ Tsy hisy intsony ny fifidianana Filoha'ny Antenimieram-pirenena vaovao, fa izay Filoha Lefitra ankehitriny, zokiny indrindra, no misolo toerana vonjy maika, mitantana ity andrim-panjakana ity... ♦ Tsy ny fanolanana no mihamitombo eto Madagasika, fa lasa mihamaro ireo sahy mitory sy mampahafantatra ireny tranga fanolanana ireny...
♦ Andrikitry ny fikambanana Salezianina ny fitaizana sy fanabeazana ary ny fitoriana ny Evanjely ho an'ny tanora, isan'ny nivoitra nandritra ny fanokafana ny “Chapitre Provincial”, nataon'ny Nonce tety Ivato ireo androany... ♦ Velona avokoa saingy nafindra toerana, 48 ora mialoha ny fandalovan'ilay rivodoza Gamane, ireo mponina tao amin'ny tanànan'i Beriziky, any Ambiloha, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC... ♦ Ny 65% an'ny fandaharam-pianarana no efa vita amin'izao roavolana fahatelon'ny taom-pianarana izao, ho an'ny CISCO Antananarivo Atsimondrano...
♦ Tanterahana ety amin'ny “Maison Provinciale” ety Ivato, manomboka anio hatramin'ny sabotsy 6 aprily 2024, ny “Chapitre Provincial” an'ny Fikambanana Salezianina... ♦ Distrikan'Anjozorobe: mamokatra soja 80.000 taonina isan-taona. Nametrahana milina mpanodina ny soja sy ny voanjo ho lasa menaka, any an-toerana... ♦ Fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny firenena Sinoa: handefa mpanao gazety Malagasy hanaraka fiofanana any amin'ity firenena ity isika, hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera...
Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fanabeazana dia manana tanjona hanampy ny beazina hahay hiaina anaty fiaraha-monina, hahalala misimisy kokoa ny fomba sy ny lalam-piaraha-monina. Ny baiboly dia manome anjara toerana ambony io fanabeazana ny zaza io sady manoro fanabeazana hentitra. Misy tanjona ny fanabeazana, ny fanitsiana, ny kapoka, satria izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...
♦ Hotanterahana rahampitso ny fifidianana ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ho eo anivon'ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Tany tan-dalàna, na ny HCDDED... ♦ Mbola mitohy hatrany ny ady tany ao Antananarivo Avaradrano ankehitriny. Tompon-tany iray indray no mitaraina amin'ny hosoka tamin'ny famarotana ny taniny... ♦ Hiroso miandalana amin'ny fampiasana tambajotra haitao ara-kajy mirindra, mba hampitana ny fampianarana ny CNTEMAD...
13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)
12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
11 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)
10 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)
9 aprily 2024 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco