Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 7, 25-31)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho,
fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo
mba ho azo itokiana.
Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo;
eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany.
Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana.
Tsy manana va ianao? Aza mitady vady.
Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza,
tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza,
saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo izy ireny,
ka irìko tsy ho voan’izany ianareo.
Izao no hevitro, ry kristianina havana:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao
aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 44, 11-12. 14-15. 16-17
Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina:
hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao.
Telin’ny Mpanjaka ny bikanao;
izy no tomponao.
Ilay zanakavavina Mpanjaka mamindra,
heni-boninahitra fatratra,
amim-pitafiana mifaham-bolamena,
avy ao an’efitranony voaravaka.
Entina eo amin’ny Mpanjaka izy,
otronin’ireo zazavavy namany,
izay mandroso an-kafaliana sy haravoana,
miditra ao an-dapan’ny Mpanjaka.
Ny zanakao
no handimby ny Razanao,
ka hataonao mpifehy
amin’ny tany tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 6, 1-11)
Ry kristianina havana, hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany,
ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina,
fa tsy amin’ny olona masina!
Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao?
Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo,
dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo?
Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika?
Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
Koa raha ady momba ny zavatr’izao fiainana izao no ilanareo fitsarana,
na izay farany ambany amin’ny Eglizy aza ve
tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin’izany?
Hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Hay dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza,
mba afa-mamboatra ny adin’ny rahalahiny?
Fa rahalahy ka hanana ady amin-drahalahy,
sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray!
Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo,
satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny?
Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza?
Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka,
nefa tsy iza ireny fa rahalahinareo ihany!
Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?
Aza diso hevitra ianareo,
fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,
na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery,
na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra na kahihitra,
na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny,
dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo
saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina
tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny Voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny,
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka,
izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny:
dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra,
satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 5, 1-8)
Ry Kristianina havana, re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo,
sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny jentily aza,
dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e!
ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory;
ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa!
Izaho, na dia tsy teo aminareo ara-batana aza, dia teo am-panahy,
sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany,
toy ny teo aminareo ihany.
Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika
eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo,
omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika:
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany,
fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý!
Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana
dia mampibonaka ny vongan-dafarinina manontolo?
Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo,
sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo,
satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety,
tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po,
fa amin’ny mofo tsy misy lalivay,
dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 5, 5-6. 7. 12
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;
ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao;
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga
levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka,
halan’ny Tompo!
Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly;
izay arovanao, hihoby mandrakizay.
Eny, hiravo aminao
izay tia ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:
“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”
Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”
Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Ahinjiro ny tananao.”
Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 35, 4-7a)
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny ireo ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 1-5)
Ry kristianina havana,
aza asiana fizahantavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra.
Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo:
ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy,
ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,
ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe:
“Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha”;
fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe:
“Mitsangàna ery”, na “mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro”;
moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?
Henoy ange, ry kristianina havako malala:
Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va
no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana,
sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy
sy nangatahiny mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efetà!”, izany hoe, “misokafa!”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny
ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy.
Ary noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy misy ny sakana tokony tsy ahatratraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana raha ny tohana ataon'ny tetik'asa sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nanazava ny sehatr'asan'ny ministera niadidiany moa ny Ministra Ratohiarijaonina Suzelin... ♦ Mampihantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana i Madagasikara. Tanterahana etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena, ny fivoriana an-tampon'ny fifanarahan'i Nairobi momba ny COP andiany faha-11... ♦ Baolina kitra, nahavita nihazona ady sahala 01 noho 01 tamin'ny tompon'ny amboaran'i Angola tatsy Luanda renivohitra Angolais ny Elgeco Plus...
♦ Hoampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy anio tolakandro ny anaran'ireo ministra handrafitra ny governemanta Ntsay Christian. Fanambarana avy amin'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanatitra ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny lapan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy ny député voafidy tao Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary. Ny mpanao lalàna hoy izy no tokony hanaja ny lalàna voalohany... ♦ Hiatrika fivoriambe any Nosy-Be, Faritra Diana, rahampitso ny Infirmiers Malagasy. Miisa 445 ireo mpisandoka ho Infirmier tratra tao anatin'ny 8 volana nitantanan'ny biraon'ny holafitry ny Infirmier ankehitriny...
♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...
♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...
♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...
♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...
♦ Malemy ny fitondrana amin'ny Ben'ny Tanàna ho an'Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ilo Mada. Nambaran'ny filohan'ity antoko ity fa efa ampoizina ireo fomba hanilihana ny mpifaninana amin'ny fikarakarana ny fifidianana amin'izao... ♦ Voatery nampidirina hôpitaly haingana i Mahery Lanto Manandafy omaly tolakandro. Ahiana ho tatry ny fahatapahan'ny lalan-drà ity mpanao pôlitika gadraina eny Antanimora ity... ♦ Tombanana hivoaka ny faran'ny herinandro izao ny valim-panadinana Bakalôrea 2024, ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco