♦ Mahatratra 25% ny taham-pialàna an-tsekoly ho an'ny toeram-pianarana sasany amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Maro ireo sekoly no efa nisantatra ny taom-pianarana vaovao manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Miverina ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Nambaran'ny orinasa Jirama fa mihena indray ny rano manodina ny milina mpamokatra herinaratra any Andekaleka... ♦ Nisy sambo tra-doza tany amin'ny fari-dranomasin'i Taolagnaro omaly vao maraim-be. Mpandeha iray tsy hita popoka, olona 29 hafa avotra soa amn-tsara... ♦ Goavam-be ny fidinana an-dalambse tany Israely omaly, manoloana ny ady amin'ny faritr'i Gaza, nitakiana ny hamotsorana ireo teratany israeliana ataon'ny Hamas takalon'aina...

♦ Nanomboka niditra androany ireo mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina sasany tao an-drenivohitra. Nambaran'ny tompon'andraikitry ny sekoly fa mipaka any amin'ny fampidirana ny mpianatra ny fahasahiranan'ny vahoaka... ♦ Nitombo ny fanjonoana antsatsa teto Madagasikara tao anatin'ny 20 taona. Raha 1.300 taonina izany ny taona 1995, lasa 35.000 taonina ny taona 2013. Natolotra androany ny drafitra nasiônaly ho fiarovana sy fitantanana maharitra ny antsatsa sy ny makoba...

♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina notontosaina teo amin'ny Kalverin'Ankaboka, tao amin'ny Distrika Misiôneran'i Manaratsandry, Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hotanterahana ny  6 ôktôbra 2024  ny ivon'ny fankalazana ny faha-130 taona niorenanan'ny fikambanan-dry Masera Carmelites de Sainte Thérèse de Turin, ka samy hanana ny endrika hankalazana izany avokoa ny ankohonam-piainana rehetra manerana an'i Madagasikara... ♦ Fanambin'ny Diôsezin'Ambositra ao anatin'ny 25 taona manaraka, ny fanamasinana ny fianakaviana sy ny tokantrano, araka ny nambaran'i Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan'Ambositra...

♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany nanoloana ny fihaonana roa samy hafa nataon'ny Paramed farany teo ny sekretera jeneralin'ny SSM... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny birao vaovaon'ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny fanatsarana ny fiarovana ireo vadintany, eo am-panatanterahana ny asany... ♦ Hanampy ny orinasa sy ny ministera ary ireo tanora mitady fizarana asa ny sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Nivoaka ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fianjeran'ny angidimby nitondra ny filoha iraniana Ibrahim Raissi, ka nitarika ny fahafatesany...

♦ Raikitra ny fisamborana sy ny haza-lambo, ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika an'Anjozorobe, efa nisy tamin'ireo tompon'antoka tamin'ny fakana takalon'aina no voasambotra... ♦ Hirotsaka ho kandidà Ben'ny Tanàna ho an'i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Tsy maintsy harenina ny korotana ao amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka hoy izy... ♦ Hametraka fomba fijery vaovao ho entina mampandroso ny firenena sy ny tontolo ambanivohitra ny  Sendikà Injeniera misahana ny fambolena sy ny fiompiana...

♦ Mbola tsy misy fihenany ny isan'ireo vehivavy tratry ny aretina mamany-lava mandalo fandidiana eny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Vehivavy 1/20 no mahazo fitsaboana eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Toamasina fa maimaimpoana ny saram-pisoratana anarana ho an'ny ankizy marefo any amin'ny sekolim-panjakàna manerana ny nosy... ♦ Miampy 9 isa indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo "Peaces Corps" nahavita fianianana hiasa amin'ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara. Hampianatra eny amin'ny Lycée sy ny Sekoly ambaratonga faharoa no andraikitr'izy ireo...

Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...

♦ Nanome baiko hamongotra ny fakana ankeriny Malagasy ao amin'ny Distrikan'Anjozorobe ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina. Lehilahy miisa 5 no maty novonoin'ireo mpaka takalon'aina tao Marotsipoy... ♦ Mitokona nanomboka omaly ireo mpiasan'ny sampandraharahan'ny famantarana ny toetry ny andro. Tapitra tamin'ny alarobia teo ny 72 ora nitakian'izy ireo ny fametraham-pialan'ny tale jeneraliny...  ♦ Voafidy hitantana ny tranoben'ny tantsaha mpamokatr mandritra ny dimy taona ho avy indray, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline. Natao teny Nanisana omaly ny fifidianana ho an'ny birao mpitantana nasiônaly... ♦ Andro fahatelo nanafihana nytany avaratr'i Cisjordanie omaly, ny miaramila Israeliana...

♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...

♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...

♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...

♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...