Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 9-20)
Tamin’izany andro izany,
nony avy nihinana dia nitsangana i Annà.
I Helî mpisorona izany,
nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray,
teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsatokazon’ny tempolin’ny Tompo.
Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Annà tamin’ny Tompo,
ary nipotrapotraka ny ranomasony;
ary nivoady izy nanao hoe:
“Tompon’ny tafika ô,
raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao ianao,
raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao,
ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an’ny Tompo izy,
amin’ny andro iainany rehetra,
ary tsy hokasihin-kareza ny lohany.”
Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’ny Tompo
ka nodinihin’i Helî ny vavany.
Fa niteny anakampo i Annà,
ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika,
fa ny feony tsy re akory.
Noheverin’i Helî fa mamo izy.
Dia hoy izy taminy:
“Mandra-pahoviana ianao no ho mamo?
Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.”
Fa hoy i Annà:
“Tsia, tompoko,
fa vehivavy ory ao am-po aho,
tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho;
fa mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny Tompo.
Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Beliala
fa ny hamafin’ny alahelo amam-pahoriako
no nitenenako mandraka ankehitriny.”
Dia niteny indray i Helî ka hoy izy:
“Mandehana amim-piadanana,
ary hohenoin’Andriamanitr’i Israely anie
ny vavaka nataonao taminy.”
Ka hoy izy:
“Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.”
Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy,
dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
Ary nifoha maraina koa izy ireo,
ka nony avy niankohoka teo anatrehan’ny Tompo, dia nody izy,
ka niverina tany an-tranony any Ramà.
Ary i Elkanà nahalala an’i Annà vadiny,
ary ny Tompo nahatsiaro azy.
Ary nony nitsingerina ny andro,
dia efa nanana anaka i Annà ka dia tera-dahy izy,
ary nataony hoe Samoela ny anarany,
fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
1 Sam. 2, 4-5. 6-7. 8abde
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo.
Ny lohako mitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana amin-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa;
ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo,
mampidina sy mampakatra ny maty.
Mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra.
Ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa
sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:
“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:
“Inona itý?
Fampianarana vaovao inona re itý?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”
Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 1-8)
Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima,
any amin’ny tendrombohitr’i Efraima, atao hoe Elkanà,
zanak’i Jerohana, zanak’i Elio, zanak’i Taoho, zanak’i Sofa:
Efrateana izy io.
Nampirafy izy ka i Annà no anaran’ny vadiny anankiray,
ary Fenenà kosa ny anankiray.
Nanan-janaka i Fenenà fa i Annà kosa tsy mba nanan-janaka.
Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io,
hivavaka amin’ny Tompon’ny tafika sy hanatitra sorona aminy any Silao.
Ary tao ny zanak’i Helî, roa lahy,
dia i Ofni sy Finea, mpisoron’ny Tompo.
Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona,
dia samy nomeny anjara avy i Fenenà vadiny,
sy ny zanany lahy aman-janany vavy
ary i Annà nomeny anjaran-droa satria tiany i Annà,
ary nataon’ny Tompo momba.
Sady nankalozain’itý rafiny mafy izaitsizy koa izy,
mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’ny Tompo azy momba.
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona
isaka ny iakaran’i Annà any an-tranon’ny Tompo,
fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy.
Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.
Hoy i Elkanà vadiny taminy:
“Ry Annà ô,
ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina?
Ary nahoana no malahelo ny fonao?
Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 14-17. 18-19
Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo mahatoky Anao,
fa zanaka mpanompovavinao
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao.
Hefaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Efaiko ao an-kianjan’ny Tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Nony natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.”
Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny
nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Andeha hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny
i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nahavita ny fihanianany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandraisany ny asa maha filohan'ny repoblika azy ; banga ny toeran' ireo vondron'ny kandidà 11, nandritra ny lanonam-pihanianany teny Mahamasina... ♦ Nilaza ho nisy nandrahona hisambotra ireo ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, nanao fomba ara-drazana teny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo izy ireo ny sabotsy teo ho fanoherana ny lanonam-pihanianana teny Mahamasina ♦ Miantso ireo mpisehatra pôlitika rehetra eto Madagasikara hisian'ny fifampidinihana pôlitika ny masoivohan'ny Angeletera eto Madagasikara, mila hapetraka ny fifampitokisana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana manaraka hoy izy...
Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo : Mifalia fa akaiky ny Tompo ; ato amiko ny fanahin'ny tompo, nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny malahelo aho. Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany 1, 6-8 ; 19-28 : Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy... Alahadin'ny hafaliana no iantsona ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo. Ny hafaliana no tokony hanenika ny mpanara-dia an'i Kristy na amin'ny mora na amin'ny sarotra...
Tsy voafaritry ny fanànana fotsiny ny olona mivoatra. Misy ireo tena manana saingy tsy mahay mampiasa izany mba haha-mety ny fiainany hifanaraka amin'ny tena mha-olona. Ny fivoaram-piainana dia mahakasika ny maha-olona manontolo ka mahasahana ny lafiny teknika izany hoe ny fampiasana ireo fitaovana manamora ny fiainana andananandro. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Misy lafintsarany sy lafiratsiny ny fomban-drazana. Mampiombona mora kokoa ny malagasy ny fomba malagasy sy ny fomban-drazana nifandovana, indrindra ireo mifahatra amin'ny ara-pitondran-tena : fihavanana, fifanajana, fiarovana ny aina ary ny fiombonana eo amin'ny samy mpiara-belona, ny fahaiza-miaina. Ireo soatoavina ireo dia anisan'ny zavatra tsara anefa potika noho ny toe-tsaina sy toe-po ananatsika koa mila mitandrina isika amin'ny fomban-drazana mba tsy ho lasa fanompoan-tsampy...
Adidin'ny mpanabe ny mamolavola ireo ankizy sy tanora mba hanana fahalalana sy fahaiza-manao, hahay hitondra-tena mendrika sy ahalala fomba ary mahay miaina. Olon-kendry izay mahay miaina. Ny raiamandreny mihitsy no mila fanabeazana voalohany satria ny fahendrena dia azo vokatry ny fandinihana ny zava-misy sy traik'efa ary iny no maharitra sy mitoetra ao amin'ny ankizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fahaizana : MÛSÄR amin'ny teny hebrio. Misy heviny roa : ny voalohany dia hoe manasazy na manitsy. Ny fanitsiana sy ny fananarana na koa ny fanasaziana dia zavatra ataon'ny lehibe amin'ny olom-peheziny, ny raiamandreny amin'ny zanany, ny mpampianatra amin'ny mpianatra ; ny faharoa dia mampianatra sy manabe ary manoro ihany koa ny izany hoe fanabeazana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Manan-karena amin'ny hazan-dranomasina sy hazan-dranomamy ny Faritra atsimo atsinanana saingy olana ho an'ny mpanjono madinika ny fahitàna lalam-barotra andefasana ny vokatra. Hita ao amin'ny Faritra atsimo atsinanana avokoa ny hazan-dranomasina fanondrana ary isan'ny manana ny kalitao tsara izy ireo. Ao no ahitana ny orantsimba na ny "langouste" tena tsara kalitao indrindra ka isan'ny ahondrana atsy La Réunion ny vokatra. Manan-karena patsabe sy patsamena ihany koa ity faritra ity...
♦ Olom-panjakana ambony maro, avy amina firenena samihafa no voalaza fa ho avy hanatrika ny lanonam-pianianan'ny Filoham-pirenena vao voafidy, eny Mahamasina... ♦ Tsy tokony hisy ny lanonam-pianianana eny Mahamasina ny sabotsy izao, hoy ny Antenimieran'ny Ray aman-dReny Foko Malagasy androany, tanatin'ny fehin-keviny... ♦ Ho vita tanteraka mialoha ny faran'ny taona 2024, ny zotra volom-boasary amin'ny fitaterana an-tariby ao an-drenivohitra. Hampiasaina sy hatao andrana teknika tsikelikely izay zotra vita, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...
8 janoary 2024 — Batemin'ny Tompo — Fety — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 55, 1-11)
Ianareo rehetra izay mangetaheta,
mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia mividiana vary ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy izay nisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,
ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao,
noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao,
sy ilay Masin’i Israely,
satria nomeny voninahitra ianao.
Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka hiala amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy,
dia hamindràny fo,
hiverina amin’Andriamanitra fa hamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo tsy mba lalako,
— teny marin’ny Tompo, —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany
no haavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala,
milatsaka avy any an-danitra,
ka tsy miverina any raha tsy efa maninteraka sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Iz. 40, 1-5. 9-11
Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo
ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra,
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry,
ny avo hanjary tany lemaka,
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Miakara any an-tendrombohitra avo ianao,
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao,
izay mitondra ny teny soa
ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanàn’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo.
Indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo,
ny sandriny mampiasa ny fahefany.
Indro miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondriny:
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany
ary handroaka moramora ny mampinono.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-9)
Ry hava-malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra
sy ny fitandremana ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra
dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Fa misy telo no manambara any an-danitra,
dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina;
ary Izy telo ireo dia mifanaraka.
Misy telo koa no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika,
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)
Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany nanao hoe:
“Avy aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.
Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny;
ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco