30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.

29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.

28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.

27 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina tao Paris i Masindahy Séverin. Mpanirery izy io, ary rehefa nahita ireo mpitoka-monina mpibanjina sy mihiboka izy dia naniry ny mba ho tao izany koa, ka nihiboka tao amn'ny trano kely nanamorona ny reniranon'i Seine, nivavaka sy nandini-tena.

26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.

Endrika ivelany miteraka fihetsepo amin' izay rehetra omena azy ny fanomezana. (25-11-2020)

25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.

23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.

22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.

21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".

20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...