Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.
18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
Ilaina ny fanomezana fanabeazana ny zanaka amin'ny fampafantarana azy ireo ny lafim-piainana. (17-06-2020)
17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.
17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.
Miha mahazo vahana any LIBAN ankehitriny ny krizy arat-toekarena sy ara-politika.
Manahy amin’ny mety hisian’ny resaka kolikoly ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus ny eo anivon’ny Fiketrahana Masina.
16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.
Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.
15 jona — I Masimbavy Germaine dia nantsoina hoe Germaine Cousin teraka ny 1959 tao Pibrac akaikin’i Toulouse. Zanaka tantsaha izy io, Laurent Cousin sy Marie Laroche no ray aman-dreniny. Taizan’aretina hatry ny fahakeliny i Germaine ary malemy ny tanany havanana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny reniny ka ny renikeliny no nitaiza azy.
14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.
13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco