Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.
Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.
29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.
28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.
(27-05-2020) Ny safidy sy ny talenta nomen' Andriamanitra no maha tafita eo amin'ny fiainana.
27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.
26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.
25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.
24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.
23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.
22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.
21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco