♦ Efa am-perinasa ankehitriny ireo Malagasy mpikambana amin'ilay rafitra hanao ny fitsirihana ny rafi-baiko sy ny lisitry ny ho mpifidy, araka ny fangatahan'ireo mpisehatra pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena... ♦ Haharitra adiny valo ny fahatapahan-jiro, manomboka anio sy rahampitso ary amin'ny alarobia 31 mey... ♦ Manomana seho miavaka ho famaranana ny faha-30 taona nijoroany ny antoko mpihira Amboarampeo Akon'ny Lanitra, ao amin'ny EKAR Masimbavy Terezy tao Avila, Bemasoandro, amin'ny alahady izao...

♦ Hampitombo ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2018, ny tsy fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ho ny KMF/Cnoe... ♦ Velaran-tany 45.000 Ha no simba any amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tato anatin'ny 20 taona, vokatry ny fifindra-monina. Omena tany 2 Ha isan'isany, ireo fianakaviana 500 mpifindra monina any, anatin'ny tetikasa "Titre Vert"... ♦ Olona telo no naratra, iray maty, vokatry ny asan-jiolahy sy halatra omby, tany amin'ny Distrikan'i Fenoarivobe, ankoatra ireo omby 20 very...

31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Voalohan'ny volana jona, andro eran-tany ho an'ny ronono. Andro anentanana ny olona rehetra mba hisotro sy hihinana na hanjifa ny vokatra avy amin'ny ronono. Nanomboka tamin'ny taona 2001 no nivohy azy io ny Sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny Fambolena na ny FAO fa ny taona 2017 isika teto Madagasikara vao nanomboka nankalaza azy voalohany noho fitarihana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB sy ny ministera nisahana ny fiompiana tamin'izany fotoana izany ary dia notohizana taty aoriana...

Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.

Voalohan’ny volana jona, andro eran-tany hoan’ny ronono. Mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny malagasy ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny, raha mitaha amin’ny mponina atsy Afrika sy any Eraopa. Ronono 16 litatra isan-taona no fanamby apetraka hosotroin’ny malagasy iray raha toa ka 40 litatra isan’olona atsy Afrika ary efa mahatratra 200 litatra isan’olona kosa any Eraopa...

Natokana ho herinandron’ny vokatra tena tsara na ny « Semaine de l’excellence » ity herinandro ity. Maro ireo hetsika anehoana izany nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny alahady izao. Voalohany amin’izany hetsika izany ny fikaonan-doha na ny Forum B To B natao teny amin’ny Hotely Carlton Anosy. Hetsika nifampiresahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fanjakàna sy ny mpisehatra ara-pambolena niaraka tamin’ny rafitra ara-bola sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola....

♦ Mahatratra 200 miliara Ariary ny trosan'ny orinasa JIRAMA, vidin-jiro sy rano tokony halohan'ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin'ny 5 taona. Hitaky izany trosa izany ny orinasa noho ny fahasahiranana lalovany ankehitriny... ♦ Manamafy ny fanambarana nataon'ny Praiministra lehiben'ny governemanta ny amin'ny hisian'ny fifidianana filohan'ny repoblika amin'ity taona ity ny solombavambahoaka miara-dia amin'ny fitondrana... ♦ Hapetraka ny rafitra hanenàna ny tahan'ny olona voatazona am-ponja ao Antanimora. Nahato ihany koa ny famoahana voafonja hiasa ivelan'ny fonja hoy ny Ministry ny Fitsaràna Mbolatiana Randriamanantenasoa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-83 taonany tany Suisse i Tina Turner, mpanjakavavin'ny Rock'n roll...

30 mey 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

29 mey 2023 — Alatsinainy, Masina Maria Renin'ny Eglizy — Ry Masina Maria Virjiny, ianao no niteraka ny Tompo! Ianao no mampiredareda ao anatinay ny Fanahin'i Jesoa Kristy Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)

28 mey 2023 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino; ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 51, 12-20)

Sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.

Hankalaza Anao aho, ry Tompo,
sy hidera Anao, ary hisaotra ny Anaranao.
Fony aho mbola tanora mbola tsy naniasia,
dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako.
Nangataka izany teo anoloan’ny tempoly aho,
sady hikatsaka azy hatramin’ny farany.
Tamin’ny fahitana ny voniny, toy ny fahitana ny salohy mihamena,
dia nifaly ny foko.
Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy;
nanaradia azy hatramin’ny fahatanorako aho.
Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy,
ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.
Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy;
ka sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.
Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho;
nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.
Mba ho azy no niadian’ny fanahiko,
sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe.
Nasandratro ny tanako, ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.
Notarihiko hankaminy ny fanahiko, dia nahita azy,
noho ny fahadiovan-toetrako.
Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho, dia nahazo fahalalana,
ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ny fitsipiky ny Tompo mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry ny olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema,
Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo,
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”

Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:

“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy kosa i Jesoa:

“Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...