♦ Nisy omaly ny fotoam-bavaka, nivavahana hisian'ny fandriam-pahalemana any Russie sy Ukraine, nokarakarain'ny diôsezy Antananarivo. Nanatrika izany ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika... ♦ Niresaka mivantana tamin'ny Filoham-pirenena ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, momba ny zava-nisy tany Mahabo... ♦ Hasongadina amin'ny fahatsiarovana ny tolo-panafahana 1947 amin'ity taona ity ny fampandraisana anjara ny ankizy, natomboka tetsy amin'ny RM1...

♦ Nankasitraka ireo rehetra niara-niombom-bavaka tamin'ny fanentanan'ny Papa François, ny Nonce Apostolique Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana... ♦ Fanomezana sarobidy ho an'ny tantara ny fahanterana, hoy ny Papa François, nandritra ny katesizy ny alarobia 23 marsa 2022...

Talata 29 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-3a. 5-16

Alatsinainy 28 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54

♦ Trano fonenana miisa efatra alina no kendren'ny fitondram-panjakana hovitaina ato ho ato, raha ny fanazavan'ny Sekreteram-panjkana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana... ♦ Misy amin'ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro any Imerintsiatosika, no terena hiroso amin'ny tombam-bidy... ♦ Ampy ny vary, fa olana tamin'ny toetr'andro izay tsy nahafahan'ny sambo niantsona, no niteraka resabe tao Toamasina...

Alahady 27 marsa 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32

♦ Tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony ireo mponina voakasik'ilay tetikasan'ny Filohan'ny Repoblika, Tanamasoandro, eny Imerintsiatosika... ♦ Hatomboka amin'ny tanim-panjakana sy ireo olona efa nanaiky hanome ny taniny ny tetikasa, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana... ♦ Nafitry ny CFM ho boky ireo tolo-kevitra hisorohana ny disadisa vokatry ny fifidianana...

♦ Nanao hetsika androany ny solontenan'ireo fokontany enina, voakasik'ilay tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Mitaky ny tsy hikitihana ny taniny izy ireo, nefa mitaraina fa kononkononina hosamborina ny mpitarika... ♦ Miantso ny Fitsarana mba tena hitana ny fahamarinana ny fianakavian'ireo ankizilahy kely roa nitsahan'ny fiara teny Tsarasaotra... ♦ Miandry ny fanatanterahana ny vahaolana naorosony, manoloana ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.

♦ Tanterahana any Antsirabe mandritra ny telo andro ny atrik'asam-pirenena hanatevenana ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nosoniavin'i Madagasikara... ♦ Tsy tokony hisy fiatraikany goavana ara-toekarena eto amintsika ny ady any Ukraine raha manana paik'ady mazava hiatrehana izany i Madagasikara hoy Andriamatoa Mohamady Sakra... ♦ Miisa roa ireo kandidà hifaninana eo amin'ny toeran'ny  filohan'ny Oniversite Antananarivo. Mbola vonona ny hanohy ny asa fanatsarana efa natombony ny fioloha amperin'asa, ny Pr Ravelomanana  Mamy...

Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.

♦ Tsy nisy niaino tamin'ny fitarainana sy ny fitakiana nataony ny mpandraharahan'ny fahasalamana any amin'ny hôpitaly samihafa ka nitokona mitaky ny zony izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Hampanjaka ny oniversite maty mandritra ny roa andro ny sendikan'ny SECES amin'ny volana avrily izao. Tsy eken'izy ireo ny fandavan'ny HCC ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny oniversite... ♦ Météo : Hitombo 1,5°C ny maripana eto Madagasikara amin'ny taona 2030, raha tsy misy fepetra hisorohana izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...