Sabotsy 9 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28
♦ Baolina kitra : herinandro mialohan'ny lalao mandroso hihaonana amin'ny RDC, nambara tamin'ny fomba ôfisialy ny anaran'ireo 24 mirahalahy handrafitra ny Barea Madagasikara... ♦ Nakatoavin'ny Vaomiera mikarakara ny fifidianana ny birao vaovaon'ny holafitry ny mpanao gazety ny maha kandidà an'i Rasoloarison Monica Harifeno... ♦ Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin'ny distrika Ankazobe, Faritra Analamanga, nitaraina tamin'ny Loholona Ramanambitana Richard ny Ben'ny Tanàna...
♦ Nivoaka ny tolakandro teo ny lisitri'ireo efatra amby roapolo mirahalahy handrafitra ny ekipan'ny Barean'i Madagasikara, mandritra ny fihaonana amin'ny RDC... ♦ Nahazo fankatoavana ilay kandidà tokana amin'ny fifidianana ho filohan'ny OJM. Efa fantatra ny ho vokatra ka tsy ilaina ny fifidianana, hoy Rakotonirina Gérard... ♦ Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fakana an-keriny any Ankazobe sy Tsaratanana...
♦ Nandray andraikitra nanao fisafoana avy hatrany, alina, ireo tompon'andraikitry ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana, notarihan'ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Hita tany amin'ny fiolahana Sahatona-Ambohimahasoa ny nofo mangatsiakan'i Rivo kely, ilay mpamily taxi, nisy nanofa ampitaka... ♦ Mahatsiaro iharan'ny tsy rariny noho ny mbola fitanana ny fomban-drazana, tsy hampandovana ny vehivavy, ny any atsimo atsinanana ka maniry ny hanafoanana izany...
Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Nojerena ny hametrahana ny paikady manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin'ny faritra maro eto Madagasikara, indrindra ireo amin'ny lalam-pirenena... ♦ Hametraka vahaolana maharitra, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny mnisteran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakàna ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola izay nihaona tamin'ny iraky ny FMI...
♦ Nodinihina teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny vahaolana momba ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro eto amin'ny Nosy. Noresahana ihany koa ny momba ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato... ♦ Hidina ifotony eny an-tsena ny kaomiseran'ny varotra sy ny mpanara-maso ny varotra, hanara-maso ny fampiharana ny lalana mifehy ny varotra, ary ny loharanon'ny entana misondro-bidy. Natomboka androany tamin'ny tsena lehibe maro teto an-drenivohitra izany fidinana ifotony izany...
Zoma 8 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26
♦ Asa anterivozona 10 taona, miampy onitra 500 000 000 Ariary no sazy azon'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha, araka ny didim-pitsaràna navoakan'ny PAC momba ny raharaha hanenjehana azy, Praiministra iray teo aloha koa voaheloka... ♦ Ratsy toerana hiantso ny hery iraisam-pirenena hanampy an'i Madagasikara amin'ny famerenana ireo "Iles éparses" ny filoha ankehitriny, hoy ny antoko SFDM... ♦ Hamelatra sora-baventy isaky ny toeram-piasàny ireo sendikà eo anivon'ny Polisim-pirenena, hanohizana ny hetsika tsy fankasitrahana ilay famindran-toerana ambaran'izy ireo fa tsy ara-dalàna...
Alakamisy 7 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13
Mba hazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fianaran'ny ankizy na ny zanaka dia tokony halala ny fandaharam-potoanany ny ray aman-dreny. Ilaina ny fanakaikaizana ny zanaka amin'ny alalan'ny resaka ka hatomboka amin'izay tranga nahafinaritra azy. Hadihadiana tsara ny zanaka ny amin'izay mety ho namany, sao misy zavatra fanararaotra na tokony hohatsaraina. Beazina hanana fahatokisantena ny zaza...
♦ Niezaka nanohana ilay tetik'asa "téléphérique" omaly ny filoham-pirenena, tamin'ny lahateniny tamin'ny fahatongavany avy any ivelany. Hanafatra entana, entina sambo 20 isa ny fanjakàna hanamaivanana ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Niakatra fitsaràna teo anivon'ny PAC eny amin'ny 67 ha omaly ny raharaha mahavoasaringotra ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha sy olona 7 hafa... ♦ Nahatratra 206 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika tao anatin'ny 3 volana. Maherin'ny 100 ny olona namoy ny ainy, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco